Depiote Fetra Ralambozafimbololona

Amin’ny 19 desambra ny didim-pitsarana


  • Alarobia 13 Desambra 2023

Anisan’ireo niatrika fitsarana ny Depiote Fetra Ralambozafimbololona omaly, saingy ny 19 desambra

ho avy izao vao hivoaka ny didim-pitsarana nanenjehana azy, raha ny fanapahan-kevitra noraisain’ny fitsarana. Namafisin’ny Mpisolovava Hubert Raharison izay mpiaro ity solombavambahoaka ity moa fa tsy azo atao ny manenjika sy misambotra ireo parlemantera raha tsy mahazo alalana amin'ny birao maharitra. Rehefa tononina eny amin’ny fitsarana ny fanenjehana, dia tokony handalo amin’ny HCC aloha raha manaraka lalàmpanorenana na tsia, hoy ny fanazavany. Tokony harahina izay ary ny lalàmpanorenana no mamaritra amin’ny andininy 118 tapany faharoa ny resaka fanenjehana parlemantera, hoy ny mpisolovava Eloi Ratefimahefamijoro nanamafy. Tsara ny mampahatsiahy, fa nosamborina ny 8 novambra ity depiote ity, ary notazonina 10 andro tany amin’ny Borigady misahana ny heloka bevava vao navoaka. Fitarihana olona hidina an-dalambe tsy nahazoana alalana nandritra ireny hetsiky ny vondron'ny kandidà ireny no antony niampangana ity solombavambahoaka ity. Anisan’ny nanamafy moa ny Filohan’ny Antenimierampirenena Christine Razanamahasoa taorian’ny fisamborana depiote, fa tsy azo atao ny misambotra solombavambahoaka mandritra ny fivoriana ara-potoana raha tsy mahazo alalana manokana avy amin’ny Birao maharitra. Andaniny, nanenjana ny Jeneraly Ravalomanana Richard Filoham-panjakana vonjimaika, fa tsy mba resaka fampihorohoroana no hanekena zavatra ka raha mbola misy mitaky hoe : avoahy ny namanay, dia izaho mihitsy no hanome toromarika hoe : tazony ao izy, hoy ity Jeneraly misotro ronono ity, izay nilaza fa misy fandikana vilana mikasika ny zo tsy azo henjehina na « immunité parlemantaire ». Heverina fa niankina tamin’ny fitakiana avy taty ivelany izany ny nitazonana naharitra ity depiote ity raha zohiana amin’io. Raha efa nivoaka ny didim-pitsarana ho an’ny Sekretera Jeneralin’ny TIM Atoa Rina Randriamasinoro izay 2 taona an-tranomaizina sazy mihantona, dia mbola andrasana kosa izany ny an’ny depiote Fetra Ralambozafimbololona. Marihina fa tsy afapo tamin'ny didim-pitsarana ny mpisolo vavan'ny sekretera jeneralin'ny antoko TIM, Maitre Eloi Ratefimahefamijoro, ka nampiakatra ny raharaha.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT