Depiote Fetra

« Ny zanako naterako no nofelahan’ny mpiambina an-dRaholdina »


  • Talata 28 Mey 2024

Ny zanako naterako afak’omaly no nofelahan’ny « sécurité »-n’ingahy Naivo Raholdina,

izay teo amin’ny familiana ny fiarako iray. Tsy nisy antony tsy nisy na inona na inona fa tonga dia nofelahana, ary ny vadiko taoriana tao. Tonga indray ny andro manaraka, dia noratrainy avokoa ny olona miaraka aminay », hoy ity depiote Fetra Ralambozafimbololona, izay niresaka ny zava-misy tamin’ny Préfet raha ny nambarany. Niantso ny Prefen’Antananarivo handefa « éléments » teny Ankadindramamy hanelanelana mba tsy hisian’ny fifandonana.Efa fantany fa ho resy izy dia manao izay mifanohitra amin’ny zavatra ara-dalàna sy ara-drariny, hoy ity depiote ity. Ahoana no hahalan’ingahy Naivo Raholdina ny programa sy ny fandaharam-potoananay, fa navoakan’ny distrika matoa fantany ny lalanay na « itinéraire » sy ny « planning ». Tokony hanitsy mivoaka aty Ampandrianomby ohatra izy, ary izahay ho any Tsarahonana dia arahiny ? hoy hatrany ny depiote Fetra Ralambozafimbololona. Nisy sary betsaka nivoaka, ary izy no mamporisika ny olony handratra, ary fomba fanaon’izy ireo ilay hoe : izy manao ny tsy mety indray no avo vava, kanefa dia izy indray no milaza fa aza kitikitihana ny zanany. Tsy misy mikitikitika ny zanany, fa ny zanako no kitikitihiny, fa ny zanako vavy kely iray ihany koa mbola noratrainy. Misy eny ambony moto, mbola miaraka aminay ihany, izay nazerany ny moto, ary nohitsakitsahiny ilay bapamba,… Nilaza noho izany ity kandida ity, izay niantera tamin’ny mpanara-maso ny fifidianana, ny CENI, ny HCC,… fa ampy ireny porofo ireny izao ny fomba fanaovan’ny kandidam-panjakana ao anatin’ny boriborintany faha-dimy izay nambarany fa mihevitra ny tenany ho mpanjaka kelin’Antananarivo sy ny Boriborintany fahadimy. Tsy azo ekena ny tahaka ireny, fa nandefitra izahay saingy misy fetrany, ka manao antso amin’ny mpitondra Fanjakana, ny Fitsarana, ny mpitandro ny filaminana, hoy ny depiote Fetra Ralambozafimbololona.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT