Politique

Depiote Feno Ralambomanana “Hanahirana ny hiseho eto amin’ity firenentsika ity!”


  • Zoma 24 Febroary 2023

Ny fivoahan’ny horonampeo tsy tokony hivoaka samihafa eto amin’ny firenena ireny dia mariky ny fitantanana gaboraraka, hoy ny depioten’I Madagasikara, Feno Ralambomanana.

Tsy misy intsony ny hoe mahafehy ny ao ambany fahefany, hoy izy. Izaho moa toy ny olon-drehetra ihany. Teny amin’ny tambazotran-tserasera no nahenoako azy. Ny mampametra-panontaniana indrindra amin’ny tompon4andraikitra amin’ireny fifandraisana an-telefaonina ireny dia hoe voafehy ve ireny eto Madagasikara satria na ny adinao amin’ny vadinao aza izany dia mety hisy hamoaka sy hanaovan’olona fandrahonana anao. Aiza ho aiza ilay zo maha olona mihitsy? Na misy na tsia ireny dia hatraiza ny fahafehezan’ireo mpandraharaha na “operateur” ny asany mikasika ny fiarovana ny zon’ny olona tsirairay? Tsy fahaiza-miasa foana no dikan’ireny. Mba mahatana ny tsiambaratelon’ny olona tsirairay ve ireo “operateur” avela miasa eto amin’ity firenena ity? Misy lalana mifehy an’izany eto amin’ity firenena ity amin’ny zo fototra ananan’ny olona tsirairay. Anahirana ny hiseho eto amin’ity firenentsika ity aoriana kely ao rehefa tsy voafehy io zavatra io, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT