Anisan’ny andrim-panjakana iankinan’ny aim-pirenena ny antenimieram-pirenena.
Ny fanamby apetraka dia ny fanatsarana mba haverina ny hasin’io andrim-panjakana io. Olom-baovao no ao, ary zava-baovao no hoentina, ka fitsipika vaovao ihany koa izany no hiainana ao, hoy ny fanehoan-kevitry ny depiote Dr Fiarovana Lovanirina Celestin voafidy tany Betafo. Mino izahay fa hifanome toky ny mpikambana, ka tsy hijery afa tsy ny tombontsoan’ny firenena, ary mba ho mendrika fa tsy ho depiote mpanao tsidi-pahitra na ho “depiote malety”, hoy io solombavambahoaka io. Ho azy manokana, dia betsaka ny filana, ary fanamby ny hoe: izao i Betafo vao handroso ara-toekarena, sosialy, fiarahamonina,… Miantso ny herivelona tsy ankanavaka, indrindra ireo Zanak’i Betafo mieli-patrana manerana ny Nosy izy hiara-kifanome tanana. Misokatra ny varavarana amin’ny fiaraha-miasa satria efa izay no nahafantarana azy hoe: mpiserasera amin’ny fiarahamonina, ny tanora toy ny lafiny ara-panatanjahantena na tany am-piangonana, na teo amin’ny tontolon’ny fahasalamana. Amin’ny maha mpitsabo ahy nialoha ny naha depiote, dia fantatro tsara ny fangejana mahazo ny tontolon’ny fahasalamana eto, ka manana tolo-dalàna ny amin’izany aho, hoy ny depiote Dr Lova. Ny CSB I sy CSB II, miainga amin’ny mpitsabo, mpiasan’ny fahasalamana sy ny rafi-pitantanana eny anivon’ny distrika na faritra, dia misy lalàna mila hatsaraina satria tsy kely ny fanodinkodinana hita amin’ny fitantanana ny volan’ny fanafody,… ka milaza hitondra tolo-dalàna fanatsarana izy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.