Na dia 16 mianadahy monja aza ireo depiote Tiako i Madagasikara voafidy no hiaka-dapa eny amin’ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza noho ny resaka hala-bato dia nomarihin’i Bina Andriamanjato Liantsoa, depiote voafidy tao
anatin’ny distrikan’Andramasina fa afaka mifaninana tsara amin’ny hafa izy ireo. Depiote iray hoy izy hifaninana amin’ny depiote miisa folo saingy tsy maninona izany fa efa nahazo traikefa avy amin’ny filoha Ravalomanana izahay no sady manana ny fahaiza-manaonay ihany koa. Midoika izany hoy izy fa antoko matanjaka ny antoko Tiako I Madagasikara ary nahavoa ireo distrika manana depiote TIM. Notsindriany manokana tamin’izany Andramasina izay nahavoafidy azy. Hojerena ny resaka lalana mampitaraina ny vahoaka raha ny nambarany, ny tsy fandriampahalemana, ny resaka fananan-tany ary ny fahasalamam-bahoaka.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.