DEPIOTE AVOTRAINA ANDRIAMOSA

Nisaotra ny vahoaka nifidy azy


  • Zoma 06 Septambra 2024

Omaly Alakamisy 05 Septambra vao niteny Atoa Avotraina Andriamosa voafidy ho solombavambahoaka

ao anatin’ny distrikan’Avaradrano taorian’ny nahalany azy tao anatin’ny Vovonana Firaisankina. Fisaorana ny vahoakan’Avaradrano no nisantarany izany voalohany ka anisan’ny nosinganiny manokana ny mponin’Alasora. Ny 48%-n’ny vato azony mantsy dia avy amin’ny mponin’Alasora avokoa izay miisa 6.000. Notsindriany tamin’izany fa anisan’ny kaominina mendrika sy tena maodely ny kaominina Alasora raha oharina amin’ireo kaominina 15 isa namany ambiny. Ankoatra ny fahaizan’ny mponina misafidy ny olona hitantana azy hoy izy dia liam-pivoarana ihany koa ny Ben’ny tanana. Nasiany resaka manokana ny lafiny fandriampahalemana izay nanampian’ny kaominina ny mpitandro ny filaminana ka nadrakofany jiro tanteraka ny tanana. Manamaivana ny asan’ireto farany izany raha ny nambarany no sady hitsinjovana ny mponina mody hariva ihany koa. Nomarihiny moa fa hanao izay mety ny tenany hanampiana ny eny ifotony tahaka izao hahafahana mampandroso an’Avaradrano iray manontolo.
Pati
Legende : Ny Depiote Avotraina Andriamosa lany tao anatin’ny Vovonana Firaisankina ao anatin’ny distrikan’Avaradrano !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT