Dimy taona ihany no fe-potoana omen’Andriambelosoa Heriniaina, solombavambahoaka voafidy tao anatin’ny distrikan’Avaradrano ny rehetra dia ho afa-po amin’ny asa vitany ireo vahoaka nifidy azy.
Afa-po amin’ny tenako ihany koa aho, hoy izy satria efa fantatro sy haiko avokoa ireo maharary ny vahoaka. Efa Ben’ny tanàna tao amin’ny kaominina ambanivohitra Masindray mantsy ny tenany tamin’ny fotoan’andro no izao lany ho solombavambahoaka izao indray. Nomarihiny manokana fa tsy ho mpanangan-tanana fotsiny izy rehefa tonga eny Tsimbazaza na dia miara-dia amin’ny fitondram-panjakana aza. Tena hiasa ny tenako ary anisan’ireo tena hanara-maso ny asan’ny mpanatanteraka mihitsy mba ho tombontsoam-bahoaka. Tsiahivina fa miara-miasa akaiky ireo solombavambahoaka mirahalahy voafidy tao anatin’ny distrikan’Avaradrano hijery akaiky ny maharary an’ireo vahoaka nifidy azy. Hatreto moa dia ny tsy fananan’asa sy ny tsy fandriampahalemana no tena mampikaikaika ny rehetra.
Pati sy Marigny
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.