Politique

Depiote an’Antananarivo Hamory vahoaka eny Analakely amin’ny 21 aprily


  • Alatsinainy 16 Aprily 2018

Ny 21 aprily izao no fotoana etsy amin’ny lapan’ny tanànan’Analakely hanomezanay depiote miisa 13 voafidy teto Antananarivo fanazavana misimisy kokoa ny fomba nandaniana ny lalàm-pifidianana amin’ny vahoaka na hanome na tsy hanome alalana ny prefe, hoy ny depiote TIM voafidy tao amin’ny boriborintany faha 5, Guy Rivo Randrianarisoa, nandritry ny fandaharana manokana tamin’ny fahitalavitra niarahan’ireo depiote mpanohitra ny sabotsy lasa teo.

 Isan’ny efa novakivakian’ireto depiote ireto bantsilana ihany moa ny fafy laingan’ny fitondrana HVM mikasika ny fombaa nandaniana iny lalàna iny, raha ny hita tamin’ny sabotsy. Araka ny nambaran’ny depiote Hanitra Razafimanantsoa, ohatra, dia 27 tamin’ireo fanitsiana (amendement) miisa 87 nataon’izy ireo ihany no noraisin’ny filohan’ny antenimieram-pirenena fa tsy araka ilay voalazan’ny filohan’ny antenimieran-doholona, Rivo Rakotovao, hoe 40. Nilaza koa ny depiote, Tinoka Roberto, fa tany amin’ny fivoriambe faharoa no efa tsy lany tamin’ny salan’isa 48 no ho 43 ny lalàna mikasika ireo tany manan-tsata manokana na ZES kanefa ny nahagaga dia nolazaina fa lany ihany io noho ny farany. Fotoana toy ny ahoana no nandaniana azy tampoka teo, hoy ny fanontaniana nipetraka. Ny loza amin’ity lalàna mikasika ny ZES ity anefa, hoy izy, dia 100 ha fara fahakeliny ny tany “hofain’ireo vahiny” mandritry ny 30 taona, azo avaozina. Any Morombe amin’izao fotoana izao efa nisy nividy 3000 ha ka 7 ariary ny ha, raha ny fitoriana napetraka mpanakanto iray. Tsy gidro akory no monina ao amin’io toerana io fa olombelona dia ny foko Mikea, hoy izy. Efa manapaka ny hazo antsoina hoe “Mangarahara”, izay fanaovana fasana any an-toerana amin’izao fotoana izao ireo nomena ny tany. Ny fitondrana HVM ve, hoy izy, hanao tahaka an’i Hitler ka handripaka ny Malagasy sy ny kolontsainy?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT