Politique

Depiote Alain Ratsimbazafy “Ny lalàna 2011-013 ihany no fantatray !”


  • Zoma 16 Aogositra 2019

Volavolan-dalàna mikasika ny fanoherana ety anivon’ny antenimieram-pirenena no dinihin’ireo depiote amin’izao fotoana izao, raha ny fanazavan’ny depioten’Atsimondrano, Alain Ratsimbazafy.

Tsy mitovy amin’ilay resaka satan’ny mpanohitra io. Ny sata mifehy ny mpanohitra sy ny fanendrena ny filohan’ny mpanohitra dia efa vita amin’ny alalan’ilay lalàna 2011-013 ny momba azy. Ny fampiharana io no andrasanay eo anivon’ny antoko Tiako I Madagasikara, hoy izy. Rehefa dinihina kosa ny anatin’ilay volavolan-dalàna tonga ety amin’ny antenimieram-pirenena amin’izao dia midika fa azo heverina ho fitsipika anatin’ny antenimieram-pirenena angamba. Eo am-pandinihana azy moa izahay izao, hoy izy. Miainga amin’ny lalàmpanorenana ny TIM. Mazava ny voasoratra ao fa antoko no resaka rehefa mikasika fanoherana ka raha ilay tolo-dalàna 01-2019/PL no hitsipaka an’izay dia tsy azonay ekena, hoy izy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT