Nitondra ny heviny mikasika ny fiaraha-miasa eo amin’ny solombavambahoaka sy ny Ben’ny tanàna, ny depute voafidy tao Atsimodrano Alain Ratsimbazafy voafidy tamin’ny antoko Tiko i Madagasika na Tim.
Nambarany, fa tokony hamafisina ny fiaraha-miara eo amin’ny roa tonta mba hisian’ny fampandrosoana any amin’ny faritra.Tokony havela halalaka ary omena ny fahefana feno ny Ben’ny tanàna, satria ity farany no manakaiky ny vahoaka ary manatanteraka ny hetahetan’ny mponina ao amin’ny kaomina iadidiany. Anisan’ny vondrom-bahoaka itsinjarana ifotiny ny Ben’ny tanàna, ka tokony hisy izay fiaraha-miasa akaiky eo aminy ny solombavambahoaka izay ary afaka manatanteraka ny fangatahan’ny Ben’ny tanàna sy ny kaomina ity farany, izay miara-miasa akaiky amin’ny governemanta koa.
Sitraka r.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.