Politique

Demokrasia sy tany tan-dalàna Mandrisika hatrany ny Amerikanina


  • Alarobia 28 Aogositra 2019

Tonga nanome voninahitra ny filohan'ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao, ny masoivohon'i Etazonia Michael Pelletier omaly tetsy amin'ny lapan'Anosikely.

 

 

 

 Nanamafy ny tenany fa manana anjara toerana lehibe ny andrim-panjakana amin'ny demokrasia ao anatin'ny firenena iray. Niompana tamin'ny fifanakalozana traikefa, indrindra ho amin'ny hoavin'ny fifandraisan'ny firenena roa tonta eo amin'ny lafiny andrimpanjakana ny resaka. Nitondra ny heviny ity ambasadaoro ity momba ny tsy fandriampahalemana izay miverimberina tato ho ato. Ny olo-pirenena dia manan-jo harovana ary efa misy ny ezaka ataon'ny mpitandro filaminana sy ny fanjakana mba ahafahana miaina ao anaty fitoniana sy filaminana ka manohana izany ny firenena amerikanina. Anisan'ny dinika tamin'ny fihaonana ny lalàna mahakasika ny fanoherana. Nanamafy hatrany izy fa manan-danja ny Andrimpanjakana, ny lalàmpanorenana sy ny fanajana ny firenena. Nilaza kosa i Rivo Rakotovao, filohan'ny Antenimierandoholona fa nampiseho fahamatorana ara-demokratika ny firenena malagasy amin'ny fahasahiana niady hevitra tamin'ny fandaniana ny satan'ny mpanohitra. Mahatoky kosa ny ambasaodoron'ny firenena amerikanina fa hahay handrindra sy handamina ny raharaha anatiny i Madagasikara ary hanohana ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna ny Amerikanina. Mino koa izy fa hahay hiaro ireo rafitra ireo ny fitondram-panjakana sy ny olom-pirenena.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT