Politique

Demokrasia sy fandraisana andraikitra Tanora 40 isa no nofanin’ny GCM


  • Alatsinainy 31 Jolay 2023

Hatramin’ny niforonan’ny fikambanana Generation citizen Madagascar na GCM ny taona 2015 no teraka ny

fandaharan’asa hoe “Jeune patriote”, hoy ny fanazavana momba izany tetsy amin’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny etsy Anosy ny sabotsy teo. Singa miisa 3 no hanofanana ireo tanora eny amin’ny lisea anatin’ny programa dia ny demokrasia, maha olompirenena, fandraisana andraikitra eo anivon’ny fiarahamonina, hoy ny tale mpanatanteraka, Tomarielson Christian. 60%n’ny mponina eto Madagasikara eo dia eo anelanelan’ny 14 hatramin’ny 21 taona, hoy izy. Tokony mbola any amin’ny ambaratonga fototra aza izany dia efa ofanina amin’ireo singa 3 ireo ny zaza malagasy. Ny teny nanetsika anay hatramin’izay dia ny hoe aza anontaniana amin’ny fanjakana na ny firenena ny tokony atao aminao fa hoe anontanio amin’ny tenanao ny tokony ataonao amin’ny firenenao. Fandraisan’andraikitra, noho izany, no fototry ny fandaharan’asanay, hoy hatrany ny fanazavany. Tontosan’ity fikambanana ity tamin’ity sabotsy ity moa ny antsoina hoe “journée civique” izay karazana famoahana andiany na “sortie de promotion” an’ireo tanora nofanin’ity fikambanana ity, hoy ny tomponandraikitra misahana ny fiaraha-miombon’antoky ny GCM, Tania Pierrina. Nandritry ny 1 volana no nanaovana izany fampiofanana izany, hoy izy. Miisa 40 kosa ireo mpianatra avy amina lisea miisa 8 sy fikambanana iray nisitraka sertifika ho marik’izay fahavitan’ny fiofanana izay, hoy hatrany ny GCM. Ny mpitari-tolona eo anivon’ny sendikan’ny mpampianatra malagasy na SEMPAMA, Bodo Ranivoarisoa, moa no nofidian’izy 40 mianadahy ireto ho reny mpiahy azy ireo.
J. Mirija
Légende: Ny reny mpiahy azy 40 mianadahy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT