Politique

Demokrasia eto Madagasikara Miverina aotra isaky ny misolo mpitondra


  • Alatsinainy 22 Jolay 2019

Takon’ny Barea ny fiainam-pirenena teto Madagasikara nandritra ny iray volana teo ho eo. Amin`izao, tafiditra ao anatin’ny tena fiainana politika isika.

 

 

 Efa lany ny filohan’ny antenimieram-pirenena. Anjarany no mitady fahamarinan-toerana ao anaty fanaovana politika. Raha tsy marin-toerana ny fanaovana politika dia tsy handroso mihitsy i Madagasikara. Ny firafitry ny birao maharitra dia manambara ny firaisankinan`ireo solombavambahoaka. Araka izany, inona ny lesona tokony hotsoahana ? Misy depiote amin`ireo 151 solombavambahoaka dia efa in-dimy voafidy ka tokony hahay haka lesona.  Ireo depiote na ao anatin`ny mpanohana fanjakana aza dia mametraka ihany koa fa tsy tokony hisy depiote migadra noho ny tsy fitovian’ny fomba fijery, fanehoan-kevitra ara-politika. Fa ny tena zava-dehibe dia ny famerenana ny hasin`ny Lapan`ny demokrasia. Mba hevitra no miady fa tsy ny olona. Tsy tokony hampatsiahivina akory izany. Noho ny fiovaovan`ny mpitondra dia matetika miverina aotra isika eo amin`ny demokrasia. Miverina eo amin`ny fanombohana foana, satria manana ny maro an’isa tsy azo hozongozonina foana ny antokon’ny fitondrana, ka na misy aza ny mpanohitra dia matetika fomba fisainana sy fomba fijery tokana no manjaka amin’ny fitantanana ny firenena. Ny toeran`ny mpanohitra eo anivon`ny Antenimieram-pirenena aza moa ankehitriny lazaina fa mbola misy olana kely indray, ka asa na mba hivaha ihany. Ao anefa no sehatra ara-dalàna ho an’ny fanoherana ary raha vao midina an-dalambe dia lazaina fa manohintohina ny filaminana anatiny dia ho avy ny fisamborana. Ka inona ihany izany no hatao ?

 Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT