Nivoaka ny tatitra nataon`ny Economist Intelligence Unit (EIU) tao anatin`ny HCDED ny volana mey lasa teo mahakasika ny demokrasia ka laharana faha-95 amin`ny firenena 165 maneran-tany i Madagasikara.
Raha ny aty Afrika atsimon`i Sahara dia ny nosy Maorisy irery hatreto no voasokajy fa manana ny rafi-pitondrana demokratika ary laharana faha-17 izy manerana ny fanajana izany. I Madagasikara mantsy dia tsy tafiditra tanteraka ao anatin`io rafitra demokratika io fa nosokajiana ho “hybride” ny rafi-pitantanana misy eto raha ny voarakitra ao amin`ilay boky. Hita tao ihany koa ny fivoaran`ny demokrasia teto Madagasikara nanomboka ny taona 2006 ka hatramin`ny 2018. Tsikaritra fa nihemotra ny firenena Malagasy satria raha ny “indice de la democratie’ na mari-pamantarana demokratika azontsika dia mbola manalavitry ny isa tsara indrindra 10. Izany hoe raha nahazo 5.82 isika ny taona 2006 dia nidina ho 4.85 izany ny taona 2015 ary niakatra 5.22 ny taona 2018. Masontsivana dimy no nahafahana namoaka ireo isa notanisaina ireo dia ny fanarahana ny dingana amin`ny fifidianana, ny fahatsaran`ny fitantanana ny firenena, ny fandraisan`ny rehetra anjara amin`ny politika, ny fahaiza-manaon`ny mpitondra ary ny fahalalahana eo amin`ny olom-pirenena.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.