Sesilany ny fanehoan-kevitr’ireo hery velona politika manoloana ny zava-misy ankehitriny eto amin’ny fireneny. Nilaza ihany koa ary ny antoko Teza, tarihin’ny filohany, Jean Louis Rakotoamboa fa miditra amina lojikam-pifandonana isika amin’izao fotoana,
araka ilay efa nambaran’izy ireo ombieny ombieny fa maloto ny fitsipi-dalao eto amin’ny firenena, indrindra fa ny andininy 60-082 izay milaza fa mila maka alalana any amin’ny mpitondra rehefa hidina an-dalambe. Io izany dia midika, hoy ny filohan’ny antoko hoe, omeo alalana izahay fa hitrongy anareo. Lalàna kidaladala toy izany, hoy hatrany ny tenany, no mifehy ny demokrasia eto Madagasikara. Efa ela no tokony ho tonga saina ny rehetra fa hatrany am-boalohany dia ny fanapahan-kevitry ny tafika nanomboka ny alatsinainy teo no mety. Izany hoe mampandre dia manao arofanina (encadrement) ny mpitandro ny filaminana. Mila iaraha-midiniky ny rehetra fa tsy ny depiote sy ny loholona ihany, ny lalàmpanorenana, ny lalàm-pifidianana, ny lalàna mifehy ny antoko, ny lalàna mifehy ny serasera sy izay tokony hahitsy rehetra. Iny izao ny filoham-pirenena dia mihantsy hoe any amin’ny fifidianana ihany no isehoan’ny marina kanefa ny lalàm-pifidianana dia manome tombony azy. Izy no filoha faratampon’ny foloalindahy sy ny fitsarana. Izy irery no manara-maso ny volam-panjakana amin’ny alalan’ny minisiteran’ny vola sy ny tetibola. Afaka mangalatra tsara izy, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.