Daroka lakrimozenina teny Itaosy

Nosemporina hatramin’ny zaza tany amin’ny hopitaly


  • Zoma 20 Oktobra 2023

Nangotraka indray ny famoretana tetsy Itaosy omaly nentina nanapariahana ireo vahoaka notarihin’ny

Firaisankinan’ny kandida nanao diabe am-pilaminana. Tsy an-kitsitsy ny fampiasan-kery izay azo sokajiana ho tsy fitantanana sy fiantsorohana am-pilaminana hetsi-bahoaka na “gestion démocratique de la foule” intsony, fa efa tena faneporana sy fampijaliana. Vahoaka tanam-polo no hanaovana fampiasan-kery izay manamafy ny efa nambaran’ny Birao misahana ny zon’olombelona eo anivon’ny Firenena Mikambana fa tena tsy mifanentana amin’ny zava-misy ny fampiasan-kery. Ny tena loza omaly, ankoatra ireo naratra maro, dia tsy ireo vahoaka mpidina an-dalambe ihany no lasibatra, fa tena sepotry ny lakrimozenina hatramin’ny zaza sy marary tao amin'ny CSB II Itaosy. Tahaka izany ihany koa ny mpianatra tamin'ny sekoly manodidina. Tsy te hahalala izay manodidina teo ny mpitandro ny filaminana noho ny baikom-panjakana, hany ka tsy misy an-kijery izay toerana saro-pady sy ny vondron’olona na vondrom-piarahamonina mety lasibatra tsy fidiny. Tsy vao tranga vaovao anefa io fidarohana an-jambany io, fa efa nisy ihany ny 07 oktobra lasa teo ny fanipazana baomba sy grenady mandatsa-dranomaso tamin’ny toby mpaninjara solika iray teny Antanimena, izay tena zava-doza amin’ny maha toerana saro-pady azy ireny. Ny zava-dehibe aloha dia mba tsy nipoaka na nirehitra io toerana io. Endrika maneho fa tena mahery vaika ny famoretana mba entina hampihorohoroana sy hampihemotra ny tolona, saingy raha ny tantara aloha, dia vao mainka nampitombo hery ny tolona sy nanafaingana ny faharavan’ny Fitondrana iray ny fanaovana herisetra tamin’ny vahoaka. Efa manomboka hita taratra izany ankehitriny.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT