Miharihary eto Madagasikara izao ny tsy fananantsika malagasy ny atao hoe soatoavin’ny antoko,
hoy ny mpamakafaka politika, Dany Rakotoson. Hitantsika io, hoy izy, ny valim-pifidianana fa maro an’isa ny tsy miankina. Tsy mitombina intsony izany ilay tena hoe antoko politika manana ny maha izy azy hitondra fanovana eto amin’ny firenena. Hitantsika koa ireny tranga nanahirana na «incident» tamin’ny masoivoho eoropeanina ireny. Isan’ny mpamatsy vola ary manana tetikasa maro amin’ny fampandrosoana ny vondrona eoropeanina. Rehefa nanome tsikera mikasika ny fitantanana ny vola fikojakojana ny lalana na FER nefa ny masoivohon-drizareo rehefa nahatsapa fa mpanome ny vola amin’izany dia noraisin’ny fitondram-panjakana ho mijabaka eo amin’ny resaka fiandrianam-pirenena. Tsikera toy ny tsikera ataon’ny olompirenena rehetra nefa no fahitako an’ireny satria tadidio fa raha manana filamatra hoe «Madagasikara tsy maintsy mandroso!» ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao dia isan’ny fampandrosoana firenena iray ny resaka lalana. Matoa isika nametraka ny rafitra hoe FER mba tsy hisian’ny fitadiavana famatsiam-bola loatra any ivelany any dia tokony ho tsara daholo ny lalana rehetra eto Madagasikara, indrindra, ireny lalam-pirenena ireny. Mbola tsy voavaha nefa ny olan’ny lalana hatramin’ny fotoana nipetrahan’ity fitondrana ity teo ka hatramin’izao. Hitantsika ny faharatsian’ny lalana. Iaraha-mahalala ny tsy fihetezana rehetra rehefa tonga ny fotoanan’ny orambe. Ny fitsikerana ataon’ny vondrona eoropeanina tahaka ireny dia zony. Azy ny vola. Isika no mila mahay mametraka tsara ilay diplaomasia. Tsy hampandeha firenena ny resaka 70 tapitrisa Euro. Kely izany raha mihoatra ny tokony ho azo. Madagasikara no resaka. Raha raisintsika fotsiny hoe mbola kely velaran-tany noho isika i Lafrantsa dia manana hatrany amin’ny 1500 miliara Euro trosa izao ry zareo. Ny trosantsika nefa mbola eo amin’ny 8 miliara Dolara eo. Mbola mila vola be dia be hampandrosoana izany isika. Ho an’ny mpitondra fanjakana no mety ho betsaka izany 70 tapitrisa Euro izany fa raha hampandrosoana firenena izany tsy misy hasiny mihitsy. Raha tena vonona hampandroso firenena marina ny fitondram-panjakana ka mba ataony hoe «Malagasy tsy maintsy manan-karena!», ohatra, no filamatra dia mba manana izy stratejia antsoina hoe «Plan Marshall» na drafitra Marshall izany hisian’ny fandraisan’anjaran’ny olompirenena rehetra amin’ny resaka ekonomia, hisian’ny fifampatokisana eo amin’ny sehatra iraisampirenena amin’ny resaka famatsiam-bola dia izay ihany no afaka mampandroso. Isika no mila mametraka an’izay hoe «Malagasy tsy maintsy manan-karena!» izay. Ny hoe «Madagasikara tsy maintsy mandroso!» dia na ry zareo kiantranoantrano ao aza no miha manan-karena dia mety mandroso ihany aminy i Madagasikara fa raha hoe ny «Malagasy tsy maintsy manan-karena!» dia mba mety mitovy amin-drizareo soisa isika amin’izay fotoana izay na ry zareo norvezianina sy ny any Finlande. Raha hoe «Madagasikara tsy maintsy manan-karena!», ohatra, dia mety mitovitovy amin-drizareo any Arabia Saodita hoe vondron’olona fotsiny no manan-karena fa ny sarambabem-bahoaka miaina fotsiny, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.