Politique

Dany Rakotoson “Tsy misy etika mihitsy ny fitondrana amin’izao!”


  • Alakamisy 17 Aogositra 2023

Tompon’andraikitra voalohany indrindra amin’ny zava-misy eto amin’ny firenena ny fitondram-panjakana, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Dany Rakotoson.

Anjarany, hoy izy, no misafidy ireo olona miara-miasa aminy. Tonga amin’ny hoe antoko politika manana ny foto-kevitra ijoroany sy fifampitaizany. Rehefa ny fitondram-panjakana no tsy miainga amina antoko politika iray fa tsy hoe akory tonga teo izy vao nanangana antoko politika dia tsy maintsy tonga amin’itony sampona na “scandale” mitohivakana itony satria mpanararaotra daholo izany no ho tonga hivondrona ao aminy amin’izay fotoana izay. Tsy lasibatry ny manodidina azy mihitsy ny filoham-pirenena fa tomponandraikitra tanteraka amin’ny manodidina azy. Repoblika faharoa teto nolazaina fa ny zanaka vavin’ny filoham-pirenena no ratsy. Tonga ny repoblika fahatelo dia nolazaina fa ny zanaka vavin’ny filoham-pirenena no ratsy. Tonga ny manaraka dia nolazaina fa ny vadiny no ratsy. Tsia! Anjaran’ny filoham-pirenena no mifidy ny manodidina aza ka rehefa ireo no manao adalàna dia satria tsy nahay nanangona ny olona tokony hiara-kiasa aminy ny filoham-pirenena. Inona intsony moa nefa no azo antenaina amin’ny filoham-pirenena fa dia ny manao fifidianana no tokony ataony. Nanova lalàmpanorenana isika ny 2014. Faran’ny tsy mety ireny satria efa miteny isika hoe 40 taona vao tokony ho afaka milatsaka dia tokony ho izay fa tsy hoe andao ovantsika ity satria mbola tsy ampy 40 taona aho! Etika mihitsy na resaka fiovana sata na “naturalisation” izany aza. Tsy tokony hisy adihevitra akory hoe anaty lalàna ve sa tsia fa resaka etika dia tsy tokony nilatsaka ianao rehefa hoe malagasy no tokony hilatsaka. Tsy misy etika mihitsy ny fitondrana amin’izao fotoana izao, hoy hatrany izy!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT