Dany Rakotoson

«Tsy manaiky ny aretina mahazo azy ny fitondram-panjakàna!»


  • Alakamisy 12 Desambra 2024

Tsy tokony natao tanatina ora fanaovana fampielezankevitra ny ora nitenenan’ny filoham-pirenena ny talata teo,

hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Dany Rakotoson. Resaka etika izany, hoy izy, satria mbola anatina propagandy isika tamin’ireny. Maro mihitsy moa amin’ny fitondram-panjakàna amin’izao fotoana ny tranga mikasika izay tsy fanarahana etika izay. Be dia be ny manam-pahaizana efa maneho fa anatina tany tsy tan-dalàna na «état de non droit» isika amin’izao fotoana izao. Miteny foana ny fitondram-panjakàna amin’izao fotoana izao fa manara-penitra kanefa tena tsy manaraka ny fenitra ary rehefa tsy manaraka ny fenitra ianao dia hitanao ny vokatra fa isan’ny firenena faran’izay mahantra ianao. Ny mampalahelo koa amin’izao fotoana izao dia hoe tsy manaiky izay fahantrana izay ilay fitondram-panjakàna. Lazainy fa ny olona indray no mampiresaka na hoe tsy fantatra izay loharanom-baovao nipoiran’ireny. Ohatran’ny hoe marary ianao izany dia entina any amin’ny Dokotera saingy tsy mety mino hoe marary na hoe izao ilay aretina mahazo anao! Mahatonga tsy fahaizana maka fepetra ialana amin’ilay aretina na ilay fahantrana nefa izay. Rehefa tsy manaiky ny tranga na «diagnostic» miseho ianao fa miala bala dia tadidio tsara fa tsy ahazo vokatra azo hanovana izany ho any amin’ny fihatsaràna mihitsy. Tsy manaiky ny aretina mahazo azy ny fitondram-panjakàna! Tsy manaiky ny aretina mahazo ny vahoaka malagasy ihany koa. Hatrany amin’ny fampianarana, izay tokony ho fototry ny fampandrosoam-pirenena, izao no tena marary. Ny maha maika matetika ilay fitondràna anefa dia ny werawera na fanafenana fahantrana. Tsara ny misy ny Miami sy io Lac Iarivo vao ho atsangana io saingy tadidio fa mbola misy laharam-pahamehana mialohan’izay ny malagasy! Isaky ny manao zavatra nefa ilay fitondràna dia tsy manatsàra ny fiainam-bahoaka na mampanankarena ilay vahoaka fa fanafenana an’io fahantrany io foana no ataony hatramin’izay na hoe «cache misère» dia ireny no handaniana vola, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT