Dany Rakotoson

«Tsy maintsy manajanona werawera raha te hanana vina mazava tsara!»


  • Alarobia 13 Novambra 2024

Tsy manana vina mazava tsara ny fitondram-panjakàna ankehitriny,

hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Dany Rakotoson. Tsy hananany, hoy izy, ilay tetikasa hampivoatra ny firenena eken’ny mpamatsy vola sy ny vahoaka miaraka aminy. Tsy maintsy manajanona werawera raha te hanana vina mazava tsara ny fitondrana aloha voalohany indrindra! Hajanona io fitiavan-tena hoe hanangan-javatra tonotononina foana fahatany io. Rehefa fakafakaina sy adihadiana izany dia tsy nisy nihaino ny fitondram-panjakàna tamin’ny alahady. Na mijery anaty tambazotran-tserasera aza ianao tsy nisy adihevitra intsony satria efa leo an’ilay fampiresahana foana ilay vahoaka. Tokony mametraka tsara izany maha fitondram-panjakàna manana ny maha izy azy izany ny fitondram-panjakàna. Rehefa miteny dia manaraka tsara ny fenitra tokony ho arahina, eken’ny vahoaka. Raha te hiverina amin’izany rehetra izany isika dia manana tekinisianina be dia be ny malagasy. Misy minisitra teo aloha lasa any amin’ny sehatra iraisampirenena manana ny toerana sahaza azy. Maninona no avotsotra ireny olona ireny? Lasa firenena faran’izay mahantra isika noho ny tsy fananana izay tetikasa tena tokony ho avoaka izay. Anatina ady isika amin’izay fahantrana be izay ka raha te hiala ao izany dia tsy maintsy manana stratejia hoe ahoana no fomba ialan’i Madagasikara ao anatin’ity fahantrana efa lasa miverimberina ity, hoy hatrany ny tenany?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT