Dany Rakotoson

«Tomponandraikitra nampahantra


  • Zoma 12 Desambra 2025

ity firenena ity indrindra ireo efa teo ireo»

Mbola averiko ihany fa manenjika asa vonjitavan’andro ny ankamaroantsika eto Madagasikara, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Dany Rakotoson. Marina ny antony hanaovana fikaonandoham-pirenena satria miverimberina ny krizy eto Madagasikara, hoy izy. Ny zava-misy hita anefa dia asa vonjitavan’andro hoe mila manao fikaonandoham-pirenena. Tokony apetraka aloha ny drafitra tiana ahatongavana iarahana vondron’olona voafantina mba hahafahana mamoaka ny soridalana aseho amin’ny vahoaka hoe ity ilay izy. Ny hita izao dia hoe io fa miverina ny mpitondra teo aloha. Io fa ny olony fotsiny no eo. Lasa resabe no miseho satria tsy miainga amina drafitra ahafahana mametraka vina sy soatoavina tiana iaingàna isika. Rehefa fikaonandohan’ny FFKM ka ny FFKM no mandamina azy dia fikaonandohan’ny FFKM izay. Rehefa ny fanjakàna no mandamina azy dia fikaonandoham-pirenena izay. Ny mpanao politika na vondron’olona malaza eto Madagasikara dia azo atao hoe mpila seza na «opportuniste» daholo. Miresaka amina antoko politika iray ianao, tsy misy vondron’olona akory ao fa manakarama olona ho atao ao an-damosiny fotsiny izy. Atao mitangorongorona ao. Fikaonandoham-pirenena, izany hoe, drafi-pirenena, tsy misy idiran’ny finoana na resaka antoko sy fikambanana manokana, no tokony hivoaka. Olona mpanome hevitra fotsiny ny FFKM na fikambanana na iza. Inona moa no entin’ny olona avy teo amin’ny fitondràm-panjakàna anatina fikaonandoham-pirenena raha tsy ny hiverenany anaty fitondràm-panjakàna? Olona efa niaina fahalovana na kolikoly tamin’ilay fitondràna nisy teo ihany no eo. Izay ilay ataoko hoe vonjy tavan’andro na «activisme». Isika mianakavy nampahantra ity firenena ity fa ny tena tomponandraikitra indrindra dia ireo efa teo ireo. Tomponandraikitra nampahantra ity firenena ity indrindra ireo efa teo ireo, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • POLITIKA sy RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila mailo ihany ny tanora

  • RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Tsy nanao amboletra naka Fitondrana

  • KOLONELY PATRICK
  • Zoma 17 Aprily 2026

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Nomena ny TIM ny fitantanana

  • Kolonely RANDRIANIRINA MICHAEL
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Indroa saika hisy hamono

  • FIKAONANDOHA, FANAVAOZANA
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila mafy amin’ny serasera ny fanjakana

Hijery ny tohiny
FTT