Dany Rakotoson

«Rehefa tsy nahavaha olana hatrizay


  • Talata 23 Septambra 2025

ireo tsy hahavaha intsony»

Misedra olana foana izao izahay mpandraharaha satria tsy afa-miodina ny orinasa, hoy ny mpamakafaka fiainam-pirenena no sady mpandraharaha, Dany Rakotoson, raha tsy eo ny angovo, herinaratra, rano. Ny olona koa, hoy izy, angovo. Ny olona moa iaraha-mahalala fa rehefa eo ny tsy fahampian’ny traikefa sy ny fahaiza-manao dia mandeha foana ny fampianarana. Mavesatra be koa izao ny tsy fahampian’ny fahefà-mividin’ny olona. Manampy izany olan’ny rano sy herinaratra dia tena sahirana ny orinasa. Lojika raha mitroatra ny olona satria efa tsy voafehy intsony ny zava-miseho. Anaty fahasahiranana tanteraka ny orinasa. Ny masoandro mihiratra andrasana izao dia olana mivaha fa tsy misy ilay masoandro mihiratra hatramin’izao satria efa an-taona maro ireo olona ireo no teo dia hihevitra ve isika fa raha mbola izy ireo no eo izao dia hivaha amin’izay izany? Efa hatry ny ela no nisy ilay fahatapahan’ny herinaratra sy rano. Efa nisy ny fanangonana sy fepetra noraisina toy ny fampiasàna famatsiana herinaratra na «groupe électrogène». Mitombo ny fandaniam-bola noho ny fisian’ny voatery fatsakàna, ohatra, nefa mihena koa ny fahefà-mividin’ny olona. Mihena hatrany izao ny mpanjifa. Tsy anaty fitraorana koa nefa no mety hahavaha olana. Tsy hita mihitsy ny tanjon’ny zava-misy ankehitriny. Isan’ny ezaka atao ny tsy fandanindaniam-poana na amin’ny alalan’ny fitsitsiana rano aza. Ampianarina ny mpiara-miasa izany. Tsy misy azo antenaina amin’ny fitondràm-panjakàna. Efa ela isika no nanome sosonkevitra. Rehefa tsy nahavaha olana hatrizay ireo tsy hahavaha intsony. Fandaniam-potoana sy resabe ny ankoatran’izay. Adala izay miheritreritra fa mbola hahavaha olana ny fomba fiasa efa tsy nety hatramin’izay, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • Gérard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT