Dany Rakotoson

“Raha ny sitrapon’ny fitondrana dia tsy hisy fifidianana”


  • Alakamisy 21 Septambra 2023

Anaty fanatontoloana isika ary mbola miantehitra amin’ny fanampian’ireo firenena matanjaka, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Dany Rakotoson.

Raha ny sitrapon’ny fitondrana, hoy izy, dia tsy hisy fifidianana fa tazominy ho azy foana io fahefana io. Tsy hanome vola anefa ny mpamatsy vola iraisampirenena raha tsy mandeha ny fifidianana. Misy ny fanaratsiana na “diabolisation” ataon’ny mpifanandrina politika aminy moa ilay fitondrana koa tsy nanaraka etikana fitondram-panjakana. Mpitondra fanjakana izany tsy tokony hangataka zom-pirenena hafa. Tsy fanomezanao hasina ny zom-pirenenao izany. Manome fitaovam-piadiana hitifiran’ny mpanohitra azy izy. Mandeha koa ny resaka famindram-pahefana. Ny lalàmpanorenana, izay zareo no nanao azy, mazava tsara fa ny filohan’ny antenimieran-doholona no tokony handray fitondrana. Tsy izay anefa avy eo no niseho fa nomena ny governemanta izany. Miroso mankany amin’ny fifidianana ny zava-miseho fa ireny moa werawera hanamaivanana ny mpifanandrina foana. Tsy tena mametraka tsindry loatra ny sehatra iraisampirenena satria tsy ampahafirin’ny firenena azony ampiana isika. Mila aseho foana nefa ny fahavononana hanaja lalàna. Miantso foana ireo mpandraharaha any ivelany ampiasa vola eto isika. Na tiana na tsy tiana, ny vaovao iraisampirenena lasa mampiseho fa tsy manaja lalàna ny fitondram-panjakana eto Madagasikara. Na misy vonona hitondra 500 tapitrisa na 600 tapitrisa, eny, 1 miliara Euro aza hanatsara ity firenena ity dia tsy matoky ry zareo satria ny fitondram-panjakana aza hitany hoe tsy manaja lalàmpanorenana. Na any amin’ny toekarena rehetra na ny antsoina hoe “doing business” izany dia sarotra ho an’ny iraisampirenena ny hatoky ny fitondram-panjakana malagasy na iza na iza aloha ho eo, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT