Politique

Dany Rakotoson “Ny tena olana dia tsy fantantsika hoe ho aiza isika ?”


  • Talata 29 Novambra 2022

Olan’ny firenena malagasy dia tena mbola tsy fantantsika tsara mihitsy hoe ho aiza marina moa isika ity, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Dany Rakotoson.

Rehefa mijery ny fanatontoloana isika, hoy izy, dia mieritreritra foana hoe mandeha any amin’ny demokrasia, ny harinkarena iombonana miaka-midina. Samy mbola sadasada daholo na ny mpitondra fanjakana na ny vahoaka entina. Miverimberina ny krizy politika, ny firenena farany mahantra. Izany rehetra izany no tokony mbola hifandinihana mihitsy eo amintsika samy malagasy aloha. Tsy misy azontsika omena tsiny hoe ny mpanjana-tany na ireo vahiny avy any ivelany mitrandraka ny harena an-kibon’ny tany eto amintsika. Tsy misy tomponandraikitra mivantana ireny fa isika tompon-tany no tokony mandinika ny lalana tokony hizorantsika satria izay moa ny atao siansa momba ny politika dia ny fanaraha-maso ny fivoaran’ny firenena iray eo amin’ny resaka politika. Isika anefa hatramin’izao mbola tsy nametraka izay fanontaniana izay fa dia hoe andao hono hanao demokrasia, hanao lalam-panorenana dia napetraka izany rehetra izany. Eo no miditra ny hoe “management politique”, izay hametrahana fanontaniana hoe firenena toy ny ahoana no tiantsika hatsangana? Tsy mbola mipetraka izany hatramin’izao. miantso foana hoe andao hanao fikaonandoham-pirenena! Mila atao izany ahitana hoe malagasy toy ny ahoana no tokony ho hita afaka 5 taona sy 10 taona? Matoa misy ny firenena matanjaka toa an’io Qatar izay mandray tompondaka eran-tany ankehitriny io dia satria nametraka fanamby ny mpanjaka tao dia tao anaty 5 sy 10 taona izy tonga dia niroborobo be. Tsy nanary ny hasin’ny kolontsainy izy ary tsy nanaraka bontolo ny fanatontoloana. Nanana harena an-kibon’ny tany. Isika manana harena an-kibon’ny tany tsy hita pesipesenina izay mbola tsy lany na efa noraofin’ny vahiny aza. Isika mihitsy no tsy mahay mandamina sy mametraka tsara hoe Madagasikara toy ny ahoana ary malagasy toa an’iza no tiantsika hahatongavana? Mila apetraka aingana ny fikaonandoham-pirenena hijerena an’izay, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT