Dany Rakotoson

“Miverina mitaky fahaleovantena indray isika”


  • Talata 10 Oktobra 2023

Niezaka foana hanao tery vay manta hahatongavana amin’ny fifidianana ny fitondram-panjakana teo aloha,

hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Dany Rakotoson. Iaraha-mahita nefa, hoy izy, fa tsy narahan’izy ireo an-tsakany sy an-davany ny lalàmpanorenana. Taona 2023 isika izao. 60 taona mahery no efa azo ny fahaleovantena. Ny zava-miseho anefa dia toy ny miverina any amin’ny taona 1947 isika. Miverina mitaky ilay fahaleovantena indray isika satria fantantsika fa tamin’ny volana jona fa nangataka zom-pirenena frantsay ny filoham-pirenena teo aloha. Isan’ny anton’ilay fidinana an-dalamben’ireo kandida miisa 11 sy ny mpanaradia azy ny hoe tsy mila mpitondra vazaha intsony. Lasa ohatran’ny hoe niray tsikombakomba tamin’ny frantsay izany izao ilay fitondrana niaraka tamin’ny mpitondra teo aloha dia ireo kandida miisa 11 indray no toy ny hoe tia tanindrazana andeha hiady fahaleovantena. Ny tokony ataon’ny mpitondra izany izao dia izay tsy hampisara-bazana ny malagasy, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT