Dany Rakotoson

«Mila vola isika»


  • Alakamisy 16 Mey 2024

Izany tambin-karama izany dia misy any amin’ny orinasa tsy miankina sy orinasam-panjakana,

hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Dany Rakotoson, manoloana ny adihevitra momba ny tambin-karaman’ireo mpisehatra ara-pifidianana nivoaka tamin’ny filankevitry ny governemanta farany teo. Manana ny CENI isika, hoy izy. Manana ny tetibolany ireo ary hoe mahaleotena moa. Raha namoaka tetibola ny fanjakana dia tadidio tsara fa isan’ny miantoka ny fampandehanan-draharaha mandritr’io fifidianana io ireny ben’ny tanàna, sefo fokontany, prefe ireny. Amiko dia lojika mihitsy aza hoe tokony hahazo tambin-karama ireny satria tadidio fa ny firenentsika dia mbola isan’ny faran’izay mahantra foana. Mila vola isika. Miodina amin’ny resaka toekarena foana ny tambin-karama toy ireny. Na hividianan-drizareo vary aza iny dia efa mampiodina ny toekarena satria ny tsy fahampian’ny vola miodina eto amin’ny firenena mihitsy no mampihisatra ny toekarena eto. Na ho raisintsika fotsiny aza hoe ireo mpandroaka fako izao tsy mikiraro, tsy manao kapa, akanjo rovitra nefa milalao ny fakontsika isan’andro. Mila jerena ny toe-javatra toy ireny. Mikasika ny hoe talen’ny kabinetran’ny CENI teo aloha sady tale jeneralin’ny Bianco teo aloha no lasa nanao propagandy dia resaka fitantanana serasera io matetika. Ilay olona voakasika mihitsy no tokony hanazava ny toerana misy azy fa manjary lasa fandrendrehana saim-bahoaka toy ny mahazatra eto amin’ny firenena. Ny fitondram-panjakana sy ny rafitra rehetra koa tokony miezaka manao serasera mazava tsara mba tsy hisian’ny fandikana vilana ny zava-misy marina, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT