Dany Rakotoson

«Mila mitandrina tsara ny fitondràna, aoka tsy ny olona fotsiny no hiova!»


  • Zoma 24 Oktobra 2025

Naka ny sosokevitry ny antenimieram-pirenena ny

rafitra misy ankehitriny mikasika ny praiminisitra hitantana ny tetezamita, hoy ny mpamakafaka fiainam-pirenena, Dany Rakotoson. Nilaza ny filoham-panjakàna, hoy izy, fa anatin’ny 1 volana dia efa ho hita eo ny fomba fiasany. Ny hamerina amin’ny laoniny ny fiainam-pirenena no maha maika. Eo koa ny fijerena izay rafitra ahafahana mitondra fampandrosoam-pirenena marina tsy hisian’ny fipoahana krizy miverina isaky ny 10 taona. Mampatahotra ihany ny zavatra hita satria ohatran’io ihany no hita na tamin’ny 2009 aza. Rehefa nandeha ny tolona, niova ny olona, dia nalalaka kely ny demokrasia. Rehefa elaela taty aoriana dia niha tery, niha tery dia tsy afaka naneho hevitra intsony ny olona ary betsaka no nigadra. Mbola firafitra toy izany ihany izao no miseho. Mbola tsy mazava mihitsy ilay fanapahan-kevitra satria izay fanapahan-kevitra fanovàn-drafitra izay satria isan’ny efa tsikera matetika izao ny hoe tsy tokony niniana tamin’ny lalàmpanorenan’ny repoblika faha 4 intsony, ohatra, ny filoham-panjakàna vaovao, satria tsy mety io rafitra io. Izay zavatra izay dia fanontaniana mipetraka be dia be. Ny zava-miseho dia tsy ao amin’ny fitondràna amin’izao mihitsy ilay atao hoe politika amin’ilay fanovàna rafitra. Ny dikan’izay dia tokony maka ny olona mahafehy an’io resaka io izy. Tokony napetrany izay hahafahana mandroso amin’ilay fanovàna rafitra marina. Tsy izay nefa no nisy fa niezaka nametraka ny fomba fiasan’ny fitondràna teo aloha no nataony dia ilay manova primatiora, mametraka praiminisitra, mametraka ny ekipan’ny governemanta rehetra. Hanao ny fomba fiasan’ilay governemanta teo aloha ihany izany ilay governemanta vaovao. Lasa asa vaovao vao ho atao izany ilay fanovàna rafitra. Hitako ho mety ho sarotra ihany ny fanatanterahana izany satria rehefa mahazo ny tsiron’ilay rafitra teo aloha dia tsy manana finiavana intsony hanova zavatra. Mila mitandrina tsara ny fitondràna vaovao ao anatin’izany satria izy ihany no hifoterany eo. Aoka tsy ny olona fotsiny no hiova! Ny tanjona dia tokony izay foana hoe ahoana no hampanakarena ny malagasy afaka 3 na 5 na 10 taona, hoy hatrany ity mpamakafaka ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT