Dany Rakotoson

“Miandry ny sehatra iraisampirenena isika!”


  • Alatsinainy 23 Oktobra 2023

Manana fahaizana manangona olona ny fitondram-panjakana teo aloha, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena,

Dany Rakotoson. Hatramin’ny resaka fividianana, resaka vola, fizarana vary, fizarana menaka, amin’izao fotoana izao moa efa hitantsika indray iny filaharana iny dia mahazo karatra maha mpiandany ianao dia mahazo T Shirt sy ny toy izany, hoy izy. Resaka fanehoan-kery izany hain-drizareo. Ny fanontaniana mipetraka fotsiny ho an’ny mpifaninana aminy dia hoe samy niaina ny mafy tao anaty 5 taona isika rehetra matoa misy manam-pahaizana miheritreritra hoe betsaka ny fanovana tokony atao. Hita ny lainga, ny tsy fifanajana, ny fifanenjehana, ny tsy fanajana lalàmpanorenana, fanimbana isan-karazany. Ny fifidianana foana no tena anehoana ny hery. Samy manaiky ny maro hoe misy tsy mety ilay toe-draharaha. Any amin’ny fifidianana izany no tokony hanehoana an’izay. Iaraha-mahalala nefa fa maro ny hosoka sy ahiahy tsy hihavanana tsy mety ovain’ny fitondram-panjakana. Manomboka mitarika ny artista sy avara-pianarana izao hidirana amin’izay fiovana izay. Miezaka misintona lakolosy amin’izay hitiavany azy matetika ny mpisehatra politika. Mbola sarotra ho an’ny fianakaviambe iraisampirenena ny hankato ny tranga tao amin’ny antenimieran-doholona ireny anefa. Miezaka manao amboletra mba hahatonga ny zava-misy ho ara-dalàna na “légal” ny fitondram-panjakana ankehitriny. Miandry ny sehatra iraisampirenena isika, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT