Politique

Dany Rakotoson “Mety ho any amin’ny fitraorana ny fihetsiketsehana maromaro”


  • Zoma 06 Janoary 2023

Ny firenena demokratika moa dia misy hery anaty fitondrana sy hery manohitra izany, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Dany Rakotoson. Anaty fotoam-pifidianana isika, hoy izy,

ka tsy maintsy manao fihetsiketsehana hanentanana ny mpiaradia aminy ny tsirairay. Mahatonga ny fiainam-pirenena ho lasa mihetsiketsika be izany nefa ny mila fantantsika fotsiny dia tadidio fa miankina amin’ny fiainantsika tsirairay avy no ahafahantsika misafidy izay hanova ny fiainantsika satria rehefa olona no tiantsika ho fidiana dia tadidio tsara fa tsy hitantsika ny hahafahana manitsy an’iny olona iny rehefa manao adalana izy. Ny hevitra no ahafahana mampandroso firenena. Resaka olona foana no nahavoa antsika hatramin’ny nahazoana fahaleovantena dia ny loko izany. Menamena iny na mangamanga na volomboasary fa tsy misy hoe inona no fanehoankevitra hijoroany? Miaro fiarahamonina sa tontolo iainana sa fihariana? Ireo lakolosy maneno rehetra ireo dia ny mpanao politika ihany no ao ambadik’ireo ary tadidio koa fa eo ilay vahoaka izay mafy ny fiainany. Na tiana na tsy tiana dia tsy maintsy mihetsiketsika izay afaka mihetsika rehetra hanenana izay fanaintainana izay. Mety ho tonga any amin’ny fitraorana ny fihetsiketsehana maromaro, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT