Politique

Dany Rakotoson «Mangarahara izao fa tsy misy repoblika intsony eto»


  • Alarobia 05 Jolay 2023

Iaraha-mahita ny zava-misy any Frantsa amin’izao fotoana izao, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Dany Rakotoson.

Raha i Madagasikara no resaka dia efa ela isika no niaina tsy rariny, hoy izy. Tsapa ho hain’ny fanjakana foana hatreto ny mandamina ireny kianjan-tsavorovoro na «foyer de tension» ireny na taiza io na taiza. Io ny raharaha QMM. Hitantsika koa ireny dahalo mamono olona ireny. Eo amin’ny resaka rariny anefa no mbola olana eto amin’ny firenena satria maro loatra ireo mpanao kolikoly ary efa tao anatin’ny fotoana maro no nisian’ny kolikoly teto amin’ny firenena. Hita ho mbola tena marefo amin’izay fiadiana amin’ny kolikoly izay ny fanjakana. Ny fototry ny fitantanana raharaham-panjakana mihitsy matetika no ahenoina izany resaka izany dia eo koa ny hoe tany lavitra andriana. Mbola lehibe lavitra noho i Lafrantsa ny firenentsika nefa matetika manao fanaparam-pahefana ny fanjakana mahefa ary eo foana no atahorana amin’ity resaka federalisma ity satria be dia be ny olona manam-pahefana any amin’ny faritra any izay tena manao izay danin’ny kibony. Kaontin’ny baomba efa nalatsaka iny resaka «naturalisation» iny. Tsy nipoaka nefa ilay izy. Nilamina tsara ny fetim-pirenena. Tsy nirotaka isika malagasy. Ny azo andikana izany dia efa tsy repoblika intsony isika izao. Ny repoblika dia voafehin’ny lalàna ny olona rehetra fa ny filoham-panjakantsika na mpitarika antsika izany izao iaraha-mahalala fa tsy manana zom-pirenena malagasy. Efa anaty resaka mpanjaka na «monarchie» isika izao. Ireo olona ireo matoa tsy nisy afa-nihetsika na tafika io na iza dia satria eo ambany fiadidian’ny olona iray. Tokony atao mazava haingana noho izany ny fandaminana ity firenena ity fa lany fotoana isika. Fandanindaniam-poana ilay hoe hanao repoblika, demokrasia, fifidianana. Mangarahara izao fa tsy misy repoblika intsony eto Madagasikara. Rehefa tsy nisy lalàna afaka nanenjika ny filoham-pirenena dia midika izany fa efa ambonin’ny lalàna izy. Tsy misy afa-tsy mpanjaka no ambonin’ny lalàna. Mandroso izao i Qatar, Arabia saodita, Emirats arabo mitambatra fa isika lany andro mifandramandramatra eto fotsiny, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT