Rehefa ny fitondram-panjakana no tsy matanjaka dia manao fanamparam-pahefana matetika ny mpitondra, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Dany Rakotoson.
Na mpitandro filaminana aza be dia be, indrindra, amin’ireny tany lavitra andriana ireny, hoy izy, no manao izay fanararaotam-pahefana izay. Eo foana no mila apetraka satria ny fahatram-bahoaka noho ny tsy fahaizany sy tsy fahafantarany ny lalana miaro azy, satria na ny mpitandro filaminana tokony hiaro azy aza vao mainka manao izay fanararaotam-pahefana izay, dia izay no mahazo ny firenena. Efa nifandovana hatrany amin’ny fanjanahantany izany noho ilay haben’i Madagasikara. Tsy mipetraka hatramin’izao ny fitsinjaram-pahefana tokony apetraka. Feno ny dahalo ambony latabatra. Raha hanao trano dia hiaraha-mahita foana ny halatra ataon’ny mpanao trano. Lasa ifaninanan-drizareo ireny mihitsy aza ny hoe mangalatra simenitra, mangalatra fatra, mangalatra tara koa raha resaka lalana. Ohatran’ilay lalàna vao notokanana iny izao tena mampalahelo ny mahita ilay izy anaty tambazotra. Ilay toetrantsika noho ny fahantrana no olana satria ny fitondram-panjakana tsy mitady hoe ahoana ny atao mba hampanakarena ara-bola, ara-pahasalamana, ara-tsaina ny vahoaka malagasy? Noho ilay fahantrana dia lasa tanjon’ny tsirairay ny hoe iza indray no azo hangalarana sy fitahana. Izay tsy fananantsika politika mazava tsara hampandrosoana ny mahaolona izay no isany fahavoazana. Raha ohatra mipoitra ny zava-miseho ataon’ireny governora ireny na depiote na minisitra dia aza gaga fa avy any ambony ny ohatra. Mbola mitohy amin’izay ihany io resaka solika io. Resaka fisolokiana sy halatra eny amin’ny tobin-tsolika io. Tsy misy idirany amin’ny fanafarana avy any ivelany na hafa io fa eto. Tsy vao izao io fa efa ela aho no naheno iry “station” iry tsy azo andehanana fa manapoka. Mahantra ara-bola, saina, fahasalamana isika, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.