Politique

Dany Rakotoson “Lainga sy fitaka ireny vina sy paikady ireny”


  • Alarobia 01 Martsa 2023

Anaty fanomanana fifidianana isika ankehitriny, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Dany Rakotoson. Tanjona, noho izany, ny hanana stratejia tsara, hoy izy.

 Ao anatiny ny hoe iza no alefa any amin’ny tanin’ady dia iza no ampirimina any ivelany mba tsy ho alain’ny sasany na tsy fantatra fa stratejia daholo izany rehetra izany. Tsy misy fiantraikany amin’ny fiainam-bahoaka izany rehetra izany. Tsy misy fiantraikany amin’ny fahefa-mividy. Izany no mila vahaolana haingana fa ny fanendrena izany efa mahazatra. Isaky ny filankevitry ny minisitra dia saika misy izany foana, hoy hatrany ny fanehoan-keviny manoloana ny fampahafantarana fa hanendry masoivoho indray ny fitondram-panjakana. Fitaka bevava, hoy izy, ny ankamaroan’ireny hoe vina sy tetika ary paikady nampahafantarin’ireo minisitra isan-tokony ireny satria ohatran’ny manao propagandy. Mila tsapantsika tsirairay avy fotsiny hoe manao ahoana ny fiainantsika isan’andro? Ny zava-misy amin’ny politika eto amin’izao dia afaka miteny daholo ny olona hoe nahavita zavatra saingy ny fanontaniana mipetraka dia hoe manao ahoana ny fiainantsika tsirairay avy? Manao ahoana ny tsy fandriampahalemana? Manao ahoana ny fianaran-janakao? Na hiteny tahaka ny inona aza ireo minisitra ireo hoe izao no vinany ka tsy misy fiantraikany amin’ny fiainan’ny malagasy dia toy ireny dokam-barotra feno fitaka ireny foana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT