Dany Rakotoson

«Ilaina ny fiaraha-midinika. Madagasikara iraisana ity!»


  • Talata 02 Jolay 2024

Raha misy tanora miisa 10 izany izao ao anaty tokantrano iray dia tsy an’asa ny 7 amin’ireo,

hoy ny mpandraharaha ara-toekarena sady mpandinika raharaham-pirenena, Dany Rakotoson, naneho ny heviny mikasika ny fahitany ny tarehimarika maneho fa ny 68,5%n’ny tanora latsaky ny 24 taona eto Madagasikara dia tsy an’asa avokoa. Olona 3 izany sisa no afaka mamelona azy 7, izay mavesabesatra ihany izany, raha misy azy 3 no mbola hamelona olona 7 tokony hiasa koa, hoy izy. Izay no mahatonga ahy miteny foana hoe maninona moa ny firenentsika no faran’izay mahantra dia satria ny fanjakana tsy mety maha tafapetraka ilay politikan’ny famoronana asa. Ny tanora mivoaka fianarana dia tokony efa hisy asa maro mihoatra ny isan’ireo tanora ireo ny asa vonona efa miandry azy. Tsy vitan’ny fanjakana mihitsy nefa ny nametraka an’izany. Tsy misy mihitsy ny fepetra ahafahan’ny orinasa hiforona aingana. Na ny resaka sehatra na «zone» fotsiny aza dia tokony jeren’ny fitondram-panjakana hoe «zone commercial» na «zone industriel». Tokony ho feno no dikan’izany isaky ny distrika satria tsy Antananarivo irery akory no Madagasikara. Tokony hanana izay politika izay isaky ny faritra sy kaominina. Isan’ny voka-dratsin’ny fifehezana ny fahefana ho eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika irery izay zavatra izay. Tsy misy mandray andraikitra mihitsy tsinona any amin’ny faritra mba hahafahana mamorona asa. Ny tsy fananan’ny fitondram-panjakana drafitra politika matotra fa lasa werawera fotsiny amin’ny fananganana fotodrafitrasa tsy misy fiantraikany amin’ilay vahoaka no olana. Nahita izao ny tena andro alahady, tanora mandeha manao baolina eny amin’ny tany mena, tangoronan’ny olona rehetra hoe tena tsy misy atao ve izany sa izay no mba fialamboly? Resahana foana ny hoe kianja manara-penitra. Mahagaga hoe atao inona moa izany ireny? Tsy tokony ho ampiasaina na ilalaovan’ny tanora ve? Tokony hanova stratejia noho izany ny fitondram-panjakana ialana amin’io fifehezana fahefana amina toerana iray na «centralisation» io. Ilaina ny fiaraha-midinika amin’ireo raiamandreny ara-panahy, ara-drazana, antoko mpanohitra. Madagasikara iraisana ity! Rehefa mipetraka izay dia tokony ho hita ny hoe malagasy tahaka ny ahoana no tokony ho hita eto afaka 3 taona, 10 taona, 30 taona? Apetraka ny fehinkevitra tokony ifanaraka amin’izany. Maheno isika hoe mbola 8 miliara Dolara fotsiny no trosan’i Madagasikara. Tsy manana fahafahana mihitsy izany isika hitrosa misimisy kokoa na «capacité d’endettement» ivelarana ka tokony hiezahan’ny fanjakana izany. Ny trosan’ny firenen-dehibe sasany any ivelany any henonao hoe 1500 miliara na 84 miliara. Manana fahafahana mbola hitrosa misimisy kokoa izany isika ahafahana mampandroso ilay firenena saingy ny tsy fisian’ny drafitra mazava hahafahana mamoaka ny firenena amin’izao toerana misy azy izao no mahatonga an’i Madagasikara ho faran’izay mahantra ankehitriny, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT