Iaraha-mahalala fa nisy olana foana ny JIRAMA hatramin’izay, hoy ny mpandinika
fiainam-pirenena, Dany Rakotoson, ka rehefa hitan’ireo mpitantana hoe mila manova sata isika fa mety io mihitsy no tsy mampandeha ny fanatsaràna ny fitantanana ny JIRAMA dia tonga amin’ny fanovàna ilay sata izy amin’izao fotoana izao. Ohatran’ny fanapahana amin’ny filankevim-pitantanana rehetra io, hoy izy, amiko satria izay no ahafahana mampandeha tsara ilay orinasa. Niandry foana ny famatsiam-bola avy amin’ny fanjakàna ry zareo hatramin’izao dia iaraha-mahalala fa tsy nahitàm-bahaolana izany. Iaraha-mahalala ny fahasimbàn’ilay orinasa JIRAMA! Tsy maintsy mametraka fitokisana amin’ny filànkevi-pitantanana moa satria izay no maha filankevim-pitantanana. Anjaran’ireo mitokona fotsiny no mametraka satria matetika rehefa misy ny famadihana sata toy ireny dia tsy maintsy misy foana ny politika apetraka ho fanatsaràna na fanesorana na fifampiresahana amin’ny fialàn’ilay mpiasa na ny fandaminana. Any no tokony ahatongavana fa tsy any amin’ny fanovàna sata mihitsy satria ny filànkevim-pitantanana no manapaka ny fanovàna sata. Rehefa tsapany hoe eken’ny mpiara-miombon’antoka rehetra izay ary eken’ny filankevim-pitantanana dia tokony eken’ny rehetra. Olona be dia be no nahazo tombony tamin’ny sata teo aloha. Ny dikan’izay dia rehefa hiova sata ilay JIRAMA dia ho very daholo ny tombontsoan’ireo rehetra ireo. Mety izay tombontsoa diso be loatra azon’ny sasany izay no nahatonga ilay orinasa ho tsy nandeha tamin’izay laoniny. Rehefa ny tombontsoa no voakasika tsy maintsy miafara amin’izao ary ao anatin’izany koa nefa dia misy ny fanararaotana samihafa ary lasa politika indray ilay raharaha avy eo. Zava-misy manerantany izany fa tsy eto amintsika ihany. Eo no ilàna an’ilay fametrahana fitokisana tsara amin’ny filànkevim-pitantanana. Orinasa io. Misy fitantanana tokony atao mba hampahomby azy satria efa iaraha-mahalala fa aman-taonany maro no tsy nahomby izay fitantanana izay fa nilàna famatsiana na «subvention» avy amin’ny fanjakàna foana. Izay no ilaina volavolain’ny filankevim-pitantanana ka raha ny fahitàna azy, famakafakàna no atao, dia misy mampirisika io fitokonana sy ny tariny io. Niakatra ireny ny vidin-jiro. Tapaka matetika ny herinaratra. Be dia be ny fantsona simba sy ny rehetra. Naninona tsy nisy ny fitokonana? Maninona no rehefa hoe andao ity fototry ny tsy fihetezana ity no ovaina dia lasa mitokona, hoy hatrany ity mpandinika ity?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.