Dany Rakotoson

«Hoavy ny fotoana hifamadika ny


  • Talata 24 Desambra 2024

toeran’ny mpanohitra sy ny mpitondra!»

Maromaro ihany ny hetsika nisy teto amin’ny firenena na tsy tanaty fotoam-pifidianana aza, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Dany Rakotoson, raha tsy hitanisa afa-tsy ny hoe hetsik’ireo mpianatry ny anjerimanontolo tsy nahazo vatsim-pianarana, ny fandorana kodiarana noho ny tsy fisian’ny herinaratra sy rano, ny hetsiky ny mpiasam-panjakàna samihafa. Misongadina foana nefa matetika, hoy izy, ny hetsika anaty vanim-potoam-pifidianana satria io no mitondra fanantenana vaovao ho an’ny mpifidy hoe tsy nety ny nataon’ny fitondràm-panjakàna ka tonga ity ny fifidianana hifidianana ilay olona mety hitondra ny vahaolana. Lojika raha mafimafy kokoa ny fitakiana rehefa tongan y vanim-potoanan’ny fifidianana. Manana ny fomba filazany daholo moa ny mpanaratsy sy mpanohitra indraindray hoe diovy aloha ny tokontanim-pifidianana! Ny anaty fitondràna sy ny mpiaradia aminy indray miteny hoe efa io ny CENI, mety io. Mifamadibadika eo foana ireo. Tamin’ny menamena teo dia mba niteny koa ny ilany hoe diovy aloha. Ny minisiteran’ny atitany no nitantana ny fifidianana taloha. Samy nitondra ny biletàny avy. Ankehitriny efa misy ny biletà tokana. Misy ny rafitra mahaleotena mikarakara azy. Ny lasi-pifidianana na «mode élective» ao anatiny dia maha tafiditra ny firehana rehetra na mpanohitra na mpanohina na iza na iza. Lasa toy ny zaza mihanta, noho izany, matetika ny fitakiana samihafa hoe diovy. Tsy midika akory izany hoe madio ny CENI fa eo koa ny maha demokratika ny firenena demokratika, izay tokony afaka mitory tsara mihitsy manoloana ny fisiana tsy fahatomombanana samihafa. Matetika moa ny fitoriana tsy tafaraka amina fanamarinana satria be dia be ireo kandidà no tsy manana mpanara-maso akory amina biraom-pifidianana sasany. Indraindray aza moa tsy voalohan-drizareo iny dia miteraka resabe mihitsy. Ny mpanohitra miezaka manaratsy na hoe manao «diabolisation» izao dia ny eo amin’ny fitondràna miantehitra amin’ny fahefany fa hoavy ny fotoana hifamadika ny toeran’ny mpanohitra sy ny mpitondra dia ho ohatran’ny fanambaràna ataon’ny mpanohitra ankehitriny ihany no ho ataon’ny mpitondra amin’izay fotoana izay, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT