Dany Rakotoson

«Betsaka no voavidy ao amin’ny antenimierampirenena»


  • Talata 18 Jona 2024

Fomban’ny mpanao politika ny manakarama olona hampiaka-peo hoe izahay no tompon’ny fahamarinana,

hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Dany Rakotoson. Matoa mandalo fitsarana izany dia tsy misy manana ny fahamarinana, hoy izy. Izay valiny avoakan’ny fitsarana eo no azo atao hoe fahamarinana. Tsy maintsy miandry ny fanambaran’ny HCC nefa. Tsy mampandroso firenena ny korontana. Ny resaka fifidianana izany rehefa tsy vitanao ny nametraka ny elanelana mazava tsara eo aminao sy ny mpifanandrina aminao dia mety ho sarotsarotra foana satria iaraha-mahalala ihany ny eto Madagasikara. Tsy maintsy hiaro ny olona miaraka aminy ny fitondram-panjakana kanefa rehefa betsaka izay elanelam-bato nandresenao azy izay dia tsy hitan’ireo fitondram-panjakana ireo ny hanovana ny vokatra. Raha te hahazo fitondrana dia tokony hanana vondron’olona na antoko politika mazava tsara vonon-kiady miaraka aminao. Hampiseho izay elanelana izay hoe tena ity olona ity marina no tianay hisolo vava anay, ohatra. Indraindray izany no olan’ny fitondram-panjakana. Tsy olona ao amin’ilay faritra akory no nalatsaky ry zareo dia lasa misy kandida mifanandrify tian’ilay faritra mifaninana amin’iny dia lasa mahatonga ilay savorovoro. Fanonganam-panjakana no nisy ny taona 2009. Nahatonga ny fitondrana tamin’izany tsy ho mari-toerana ny fanonganam-panjakana niainga tamin’ny tafika. Amin’izao fotoana izao, naka fepetra tsara mihitsy ny tafika fa tsy hiditra intsony amin’ny savorovoro politika toy ireny satria tsy mampandroso firenena izany. Ny ankamaroan’ny antoko politika teto Madagasikara dia tsy nanana ny maha izy azy mihitsy satria ny ankamaroan’ireo nahazo fitondrana dia efa nahazo fitondrana vao nanangana antoko. Tsy nisy fanabeazana ara-ideolojia, araka izany, tao. Sendra tonga tao fotsiny ilay antoko fa tsy nanana maro an’isa dia nitangoronan’ny mpanararaotra na «opportuniste» sy mpisolelaka. Rehefa andeha izao ny fanambaran’ny HCC dia ho tonga ao amin’ny antenimieram-pirenena ireo solombavambahoaka lany ireo dia ho hitantsika amin’izay ny tena fifandanjan-kery marina. Tokony atao mazava tsara nefa ny tanjona satria ny antony maha solombavambahoaka an’ireo dia mba hiaro ny malagasy. Hitondra ny hoe ahoana no hampanan-karena ireto malagasy ireto? Mahafinaritra ireo solombavambahoaka ireo ve ny mahita ny fianakaviany mahantra? Ny lalana mankany aminy ratsy? Mahafinaritra an’ireo ve hoe eto no tena miasa ny tetibolam-panjakana nefa anya mina distrika maro ireo no misehatra? Izany no tokony dinihin’izy mianakavy satria tomponandraikitra tanteraka amin’ny fanaraha-maso ny mpanatanteraka ireo. Ny fahaizan’ny samy solombavambahoaka mifampitarika amin’ny fahatongavan-tsaina no tena ilaina. Iaraha-mahalala fa betsaka no voavidy ao amin’ny antenimieram-pirenena na dia raisintsika fotsiny aza hoe ny ankamaroan’ireo depiote tsy miankina. Efa niainantsika izany dia nivoaka moa ilay anarana hoe malety. Anjarantsika vahoaka malagasy no mamerina ny hasin’ny antenimieram-pirenena sy ireo solombavambahoaka ireo sy amin’ny alalan’ny fampahatsiahivana azy ny tena asany. Inona moa no tena andrasana aminy ankoatran’ny fanatsarana ny fiainan’ny malagasy amin’ny lafiny rehetra, hoy hatrany ny tenany?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT