Politique

Dany Rakotoson “Araraotina ny fahabadoan’ilay vahoaka malagasy”


  • Alarobia 01 Febroary 2023

Mampalahelo ny maheno ny filoham-pirenena milaza hoe hijery ny sosialim-bahoaka amin’izay satria averimberiko foana, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena,

Dany Rakotoson, fa “gouverner c’est prévoir” na jery lavitra no atao hoe mitondra. Efa tokony anatin’ny PEM izany sosialim-bahoaka izany, hoy izy. Tadidio tsara fa isan’ny fanatsarana ny sosialim-bahoaka ny fisian’ny fotodrafitrasa maro mifanaraka satria tsarovy tsara fa ireny no manome harena sy vola ilay vahoaka mihary any amin’ilay toerana misy ilay izy. Ny fotodrafitrasa no mampisy fiforonana asa ary ny fiforonana asa no manatsara ny sosialim-bahoaka. Izay foana io fa tsy hoe fanomezana vary 1 gony na vatsy tsinjo. Tsy niomana hitondra ve ilay fitondrana amin’izao fotoana izao ka rehefa sendra olana toy ireny Covid 19 na rivodoza toy ireny dia mikoropaka tsy mahita vahaolana aingana nefa ain’olona no lalaovina? Be dia be ny matin’ny fahantrana, matin’ny tsy fandriampahalemana, very harena amin’ny fihariana noho izay tsy fananana politika hanatsarana ny fiainan’ny vahoaka malagasy tsirairay avy izay. Tokony hisy fikaonan-doham-pirenena mihitsy handinihina hoe malagasy tahaka ny ahoana no tokony ho eto afaka 3, 10, 30 taona? Tokony faritana tsara hoe malagasy mianatra, mahay, manan-karena, mihary, salama. Tokony tsy ho hita intsony izany malagasy mipetraka amoron-dalana izany. Anatina vanin’andro akaiky fifidianana ilay mpitondra no miresaka zavatra ohatran’ireny. Mampalahelo fa araraotina ny fahabadoan’ilay vahoaka malagasy. Famonoana toekarena goavambe izany fanajanonana fotodrafitrasa izany. Marina fa tsy mifanaraka amin’ny ankamaroan’ny malagasy ny ankamaroan’ilay fotodrafitrasa satria vonjy tavan’andro fotsiny mba entina ireharehana fa ny zava-misy nefa tadidio fa ireny koa no mba hany mampidi-bola eo amin’ilay faritra anaovana ilay fotodrafitrasa. Ohatra fotsiny hoe ny mpanao trano, ny taotrano, ny vidin-tsimenitra eo amin’ilay toerana, ny fanatsarana rehetra dia mitondra harena ho an’ilay faritra. Tokony miomana amin’izay mety hitranga foana no atao hoe fitondram-panjakana ary izany io ataon’ny rosianina amin’ny Okrainina io satria hitany hoe mitady hanafika azy ny tandrefana. Izao izy dia efa miaro tena fa tsy andrasana ho tonga eo am-bavahady akory ny fahavalo vao hiaro tena, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT