Dany Rakotoson

“Alaivo aloha ny fahefana rehefa te hanova zavatra!”


  • Zoma 24 Novambra 2023

Betsaka ny olona manao vava tsy tana rehefa miakatra ny hafanana amin’io resaka fifidianana io,

hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Dany Rakotoson. Hanenenana izay matetika, hoy izy, ary eo foana no mila tandremana amin’ny lafiny demokrasia satria misy soatoavina mila hajaina ao dia ny fitenenana ny tokony ho tenenina fa tsy mamorona. Ny eto Madagasikara moa matetika raha moa misy resaka azo isintomana lakolosy dia lasa ambadika politika nefa isika manana fitsarana. Efa hatramin’ny 2018 no niaraha-mahalala ny tsy fanarahan-dalàna nahazoana fahefana. Noho izany dia ny fahazoanao fahefana koa no hahafahanao manova izay hosoka sy tsy rariny rehetra izay kanefa ianao indray no nibodo ilay fotoana tokony nahafahanao nahazo ilay fahefana. Alaivo aloha ny fahefana rehefa te hanova zavatra? Amin’ny alalan’ny fifidianana no hakana izany amin’ny firenena demokratika. Rehefa tsy mifanaraka ny ara-drariny sy ara-dalàna dia ilaina ny maka fahefana hampifanarahana an’ireo. Tsy hisy fifidianana filoham-pirenena intsony izany izao raha tsy amin’ny 2028. Mbola hisy ny fifidianana solombavambahoaka, ben’ny tanàna, ny mpanolontsain’ny tanàna, ny loholona. Any amin’ny fifidianana mpanolontsain’ny tanàna no hanomanana azy satria ireo no ho mpifidy vaventy hifidy loholona. Tsy takona afenina ny hoe nisy tsy fanarahan-dalàna foana nataon’ny fitondram-panjakana. Tsy hitondra ny malagasy ve ianao raha tsy efa manan-karena izy. Efa fantatra foana fa tsy madio ilay fifidianana. Noho izany dia alaivo aloha ny fahefana hanadiovana azy, hoy hatrany ity mpamakafaka raharaham-pirenena ity!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT