Danny Rasolofomanana

“Hifamono ny malagasy noho ny loha be tsy mitovy”


  • Zoma 03 Novambra 2023

Isika eto Madagasikara dia hijanona amin'ny resaka loko foana ve,

hoy ny fanontanian’ny mpandraharaha, Danny Rasolofomanana? Hafa, hoy izy, ilay resaka lamaody. Raha tsy lany ilay loko hafa dia tsy namany aho ary tsy fantatro izy! Fanavakavaham-bolon-koditra izany sao misy tsy mahalala! Tsy Madagasikara ho an’ny malagasy rehetra fa Madagasikara ho an’izay mitovy loko aminay dia ny ambiny lanin'ny fahantrana sy voay. Dia mbola miverina ihany rehefa avy eo ilay hoe “mangiana fa izahay izao no mitondra sy mihinana!” na iza na iza lany eo. Indrindra indrindra ilay tsy tononiko eto. Maro ireo lesoka noho ny fitondran-tenan'ny mpitondra teto amin’ny firenena ka namotika tanteraka ny fiarahamonina sy ny toekarena noho ny tsy fitoviana ara-doko ka raha mitohy izao resaka loko izao dia mino aho fa ho tonga hatramin’ny “règlement de compte” na fifampiasan-kery goavana be satria samy tsy manaiky ny hifampiresaka daholo dia aleo mifandratra na mifamono mihitsy aza. Izay vao tonga amin’ilay teny hoe raha maty aho matesa rahavana! Tsy hifamelona fa hifamono ny malagasy noho ny loha be tsy mitovy. Noho ny fitiavana fahefana diso tafahoatra. Noho ny tsy fisainana kely fotsiny no mahazo ny firenena amin’izao fotoana izao. Diso tia tena loatra ianareo ka tsy mendrika akory ny antsoina hoe malagasy tia fihavanana fa lasa loham-bola ary tsy mba misaina akory ny hoavin’ny taranaka iombonana. Am-pitiavana hatrany, hoy hatrany ity mpandraharaha ity!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT