Dama Mahaleo

“Raha tsy izao isika no mijoro dia izay ny amintsika”


  • Alatsinainy 02 Oktobra 2023

Dama Mahaleo “Raha tsy izao isika no mijoro dia izay ny amintsika” Nampahatsiahy i Zafimahaleo Rasolofondraosolo

na Dama ao anatin’ny Tarika Mahaleo fa 7 miralahy izy tany am-boalohany, nomen-janahary talenta, avy ao anatin’ny vahoaka ary miverina amin’ny vahoaka. Mbola misy roalahy velona manohy ny dia izy sy Zokibe Bekoto. Nandritra ny 51 taona, hoy izy, dia tsy nitsahatra ny Tarika Mahaleo nitarika ny saintsika sy ny fanahintsika, ary ny masontsika handinika sy hamakafaka ary hisintona lesona manoloana ny zava-mitranga eto amin’ny firenena. Indrisy anefa, hoy Dama, fa tsy tanteraka izany manomboka androany satria tandindonin-doza indray ny firenena, manapatra fahefana tafahoatra ny mpitondra amin’izao fotoana izao. Vitany ny mampiasa ny lalàna eo am-pelantanany hanamafisany ny fanaparam-pahefana eto amin’ny tany sy ny firenena, izay hiarovany ny tombotsoa manokany. Manararaotra ny tsy fahalalan’ny Malagasy maro an’isa izay mbola tsy mahay taratasy ka tsy mety izany. Nilaza noho izany I Dama izay marihina fa mpikatroka ao anatin’ny Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana fa mandalo kihon-dalana iray ny firenena izao. “Raha tsy izao isika no mijoro dia izay ny amintsika, very tanteraka ny maha izy antsika, very tanteraka ny fiandrianam-pirenena. Nijoro izahay tamin’ny 72 satria niady ny mba hampidirana ao anaty fandaharam-pampianarana ny zava-misy eto Madagasikara mba tsy ho tompon-trano mihono ny tanora Malagasy mba hahalala ny tantara, ny harenany, ny kolontsainy,…”, hoy I Dama. Raha tamin’izany, hoy izy, no tafapetraka ny fampianarana ny tanora an’I Madagasikara, dia tsy ho tahaka izao isika 51 taona aty aoriana. Ny zava-doza anefa amin’izao, ny Filoha teo aloha dia nitantana ny firenena mangingina, tsy nilaza fa mizaka fa efa mizaka zom-pirenena vahiny. Betsaka no manana izany fa ity tsy notsotina, tsy mazava fo, namitaka ny Malagasy,…. Tsy nitsotra fa nafenina, nipoitra taty aoriana. Sarotra be aminay ny tsy hijoro, tsy azo atao izany hoe: hoentina vazaha ny firenena. Hijoro izahay na roalahy fotsiny aza, fa tsy azo entina vazaha ny firenena. Notsiahivin’I Dama moa ny tonon-kiran’ny Mahaleo hoe: “…Samy migoka ny rano tsy tiana izao, ka mila zava-baovao, miandradra hafaliana,… Mahatantesa tsikera rehefa tsisy hapoaka, fahendrena no miala rehefa tsy tafavoaka, aleo halan’andriana toy izay halam-bahoaka,…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT