Dama Mahaleo

« Mahavelom-bolo ny fijoroana sy fanovana entin’i Tahina »


  • Alakamisy 28 Novambra 2024

efa nijoro aho tamin’ny hetsika fotsy, tsy nisy naniraka na niantso fa nenjehin’ny feon’ny fieritreretana hoe :

raha mbola velon’aina dia tsy havela ho very maina ny tolona nataonay tamin’ny 1972, izay isan’ny nitolomana tamin’izany ny ady tamin’ny fampianarana miangatra, fanabeazana mifantoka amin’ny zava-misy eto Madagasikara, mitodika amin’ny fiainan’ny Malagasy, mitodika amin’i Madagasikara sy ny ranomasina manodidina azy,… ka nitakiana ny hanamboarana ny programam-pampianarana hifanaraka amin’i Madagasikara, hoy Rasolofondraosolo Zafimahaleo na Dama Mahaleo omaly, raha nivahiny tao amin’ny Top Radio FM 102.8. Ny kandida Tahina no manana an’izay, ary velom-panatenana aho tamin’ireny Hetsika Fotsy ireny satria tanjona ny tsy haha tompon-trano mihono ny Malagasy, indrindra ny tanora. Vaky moa ilay fiarahana tao amin’ny Hetsika Fotsy. Anisan’ny nanantena avy eo rehefa vita ny fifidianana solombavambahoaka hoe : niova ho ara-dalàna izany ny tolona, kinanjo lany 100% indray ny Filohan’ny Antenimpierampirenena. Nahavelom-bola indray rehefa nilaza fa hirotsaka hofidiana ben’ny tanàna i Tahina Razafinjoelina satria io no tena manakaiky vahoaka, ka nilazany fa mbola tsy maty ilay tolona makany amin’ny fanovana. Velom-panantenana rehefa nanomboka nijoro fa ny tanànan’Antananarivo dia toerana hampiharana ny nofinofy sy ny vina ho tombotsoan’ny Malagasy maro an’isa, ary indrindra mitodika amin’ny tanora maro an’isa. « Soa fa mbola misy an’i Tahina sy ireo mpiara-dia izay tsy namadika tamin’ny hetsika Fotsy,… ka izaho isan’ny olom-pirenena manohy ny tolona », hoy hatrany i Dama. Tena goavana, hoy izy, ilay fanovana, ary isan’ny tena zava-dehibe ilay hoe : « Isika izao no fanovana ». Ny zavatra mitranga eto amin’ity Antananarivo ity mantsy hoy hatrany i Dama dia milaza ireo izay nitondra hoe : anay ny tanàna, izay lasa fihazohazoana tsy roa aman-tany, kanefa « antsika » io, renivohitr’i Madagasikara, ny oniversiten’Antananarivo no nanabe anay, nipoiran’ny tarika Mahaleo taorian’ny 1972 ka tokony harovana fa tsy hifandroritana hoe : izahay no tena tompony. Efa niara-dia tamin’i Tahina aho, nijery ny faritra iva, tena henjana be, mazana be,… Ireo nilaza azy ho tompony no nifandimby teo nandritra ny 15 taona ka nitondra ho aiza ho an’ity Antananarivo ity hatramin’izao ? Jereo tsara ny fiaian’ny Malagasy maro an’isa eto Antananarivo fa hitantsika sy ianantsika ny fahorian’ny olona, ka i Tahina amiko no mitondra fanantenana, sahy nijoro nilaza ny marina,… hoy i Dama nanamafy sy nanao antso avo hifanomezan-tànana satria miara-dia vao mandresy fa tsy mandresy vao miara-dia.
Toky R

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT