Dama Mahaleo

“Aza kivy! Tena tolona ho an’ny firenena ity”


  • Alakamisy 12 Oktobra 2023

Isan’ny sary nanamarika ny diabe am-pilaminan’ny kandida niainga teny Ankatso niazo an’Ambohipo

omaly ny fahitana an’I Dama Mahaleo niara-dia tamin’ireo kandida 11 sy ny vahoaka. Aza kivy isika, hoy izy. “Efa nanomboka tamin’ny 1972 izahay no nitolona. Izahay mpanakanto dia tsy mankasitraka ny fampiasana herisetra ataon’ny foloalindahy amin’ny vahoaka, tsy mankasitraka ny fanitsakitsahana ny lalampanorenana, tsy mankasitraka ihany koa ny herisetra ataon’ny vahoaka amin’ny foloalindahy satria misy rahalahintsika sy anabavintsika ao”, hoy i Dama raha nitafa tamin’ny vahoaka teny Ambohipo. Tapa-bolana latsaka ity Mpikambana anatin’ny FTT na Firaisankinan’ny Tia Tanindrazan ity no efa naneho i Dama fa nandritra ny 51 taona, dia tsy nitsahatra ny Tarika Mahaleo nitarika ny saintsika sy ny fanahintsika, ary ny masontsika handinika sy hamakafaka ary hisintona lesona manoloana ny zava-mitranga eto amin’ny firenena. Indrisy anefa, hoy Dama, fa tsy tanteraka izany manomboka androany satria tandindonin-doza indray ny firenena, manapatra fahefana tafahoatra ny mpitondra amin’izao fotoana izao. Vitany ny mampiasa ny lalàna eo am-pelantanany hanamafisany ny fanaparam-pahefana eto amin’ny tany sy ny firenena, izay hiarovany ny tombotsoa manokany. Manararaotra ny tsy fahalalan’ny Malagasy maro an’isa izay mbola tsy mahay taratasy ka tsy mety izany. “Raha tsy izao isika no mijoro dia izay ny amintsika, very tanteraka ny maha izy antsika, very tanteraka ny fiandrianam-pirenena. Nijoro izahay tamin’ny 72 satria niady ny mba hampidirana ao anaty fandaharam-pampianarana ny zava-misy eto Madagasikara mba tsy ho tompon-trano mihono ny tanora Malagasy mba hahalala ny tantara, ny harenany, ny kolontsainy,…”, hoy I Dama. Ny zava-doza anefa amin’izao, ny Filoha teo aloha dia nitantana ny firenena mangingina, tsy nilaza fa mizaka fa efa mizaka zom-pirenena vahiny. Betsaka no manana izany fa ity tsy notsorina, tsy mazava fo, namitaka ny Malagasy,…. Tsy nitsotra fa nafenina, nipoitra taty aoriana. Sarotra be aminay ny tsy hijoro, tsy azo atao izany hoe: hoentina vazaha ny firenena. Hijoro izahay na roalahy fotsiny aza, fa tsy azo entina vazaha ny firenena, hoy I Dama tamin’izany, ary io asehony ho hitan’ny rehetra io fa tena mitolona ho an’ny tanindrazana izy.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT