Dally Randriantefy

“Mila mijoro ho an’ny rariny isika!”


  • Alatsinainy 06 Novambra 2023

Izao an! Misy andian'olona nomena vola hidaroka, hoy ny kintan’ny taranjam-panatanjahantena, Tennis,

fahiny, Dally Randriantefy. Izay no nanakaramana azy, noho izany, midaroka ry zareo, hoy izy. Mety tsy hahazaka daroka sy ratra isika. Mety tsy hahazaka ny ràn-tsika mandriaka isika fa isika kosa dia mijoro ary manohitra ny tsy rariny. Soa fa mbola misy ny olona ohatra antsika. Hoy ireo kaondrana manodidina ahy hoe "ça va vous mener à quoi tout ce cirque de marche quotidienne" na hoe hitondra anareo mankaiza ity diabe isan’andro ity satria izy ireo koa na dia tsy volomboasary aza dia fanahy matimaty. Izahay tompoko dia mijoro! Ny vola am-paosinay sy ny herinay dia lanianay hilaharana ary marina fa ho anay fa ho anareo ihany koa. Aza mifandatsa! Kodiaran-tsarety ny fiainana fa mijoroa foana ho an'ny rariny! Izahay koa tsy milamila sezaseza izany fa “désintéressé” na tsy mila tambiny ny hetsikay. “Nous sommes la majorité qui sortons du silence” na hoe ireo maro an’isa nivoaka tamin’ny fahanginany izahay! Tapitra, hoy hatrany i Dally!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT