Nanao fanambarana ihany koa omaly tetsy amin’ny lapan’ny tanànan’Analakely ireo mpikambana teo anivon’ny andrim-panjakana roa tamin’ny fitondrana tetezamita dia ny antenimieram-pirenena sy ny antenimierandoholona.
Nambaran’izy ireo tamin’izany fa tsy nampoiziny ho tahaka izao no niafaran’ny Repoblika fahefatra. Efa mba teo amin’ny sehatry ny famolavolana sy ny fandaniana lalàna ihany izahay, hoy izy ireo, saingy tsy mbola nanao zavatra tsy mety tahaka izao. Anisan’ny nomarihin’izy ireo manokana tamin’izany ny fanaovana kolikoly tamin’ny fandaniana ny lalàna mifehy ny fifidianana farany teo izay nohantitranteriny fa tena tsy rariny. Manohana feno ny hetsiky ny solombavambahoaka entina hanoherana izany sy ny tolom-bahoaka etsy amin’ny lapan’ny tanàna, araka izany, izy ireo sady manao antso avo ny amin’ny tokony hialan’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ihany koa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.