Anisan’ny nahamaika ny FAT ny fananganana ny parlemantan’ny tetezamita ahitana ny Kongresy (CT) sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST), vantany vao vita ireo Dinika Santatra ny fihaonambem-pirenena tamin’ny 13 septambra 2010.
Herintaona nijoroana izao ny CT sy CST. 90 ny mpikambana ao amin’ny CST etsy Anosikely amin’izao fotoana, ary araka ny siosion-dresaka dia mandray karama sy tambin-karama 2 ka hatramin’ny 4 tapitrisa ariary isam-bolana izy ireo. Ny eny amin’ny CT Tsimbazaza kosa dia ahitana mpikambana 250 ka araka ny tsiliantsofina re ihany dia farafahakeliny dia 1,5 tapitrisa ariary isam-bolana ny karama raisin’izy ireo. Ankoatr’ireo dia mbola misy ny tombontsoa marobe tahaka ny fiara, tapakila fakana solika, fahana ho an’ny finday sy zavatra maro hafa. Hatramin’izao aloha dia tsy hita izay asa mivaingana vitan’ny CT sy ny CST.
Ekena fa nahavita fitsapan-kevi-bahoaka isika tamin’ny 17 novambra 2010. Nisy ny lalàna tsy maintsy nolaniana nahafahana nanatanteraka izany, saingy efa niaraha-nahita ihany ny savorovoro sy gaboraraka tamin’iny fifidianana iny. Namboarina sy nolanian’ny parlemanta ny lalàna, kanefa avy eo karinem-pokontany dia efa nahazoana nifidy. Hita ihany koa fa maro be ireo mpanao politika tsy nahazo seza hatramin’izay no midongy toerana ao amin’ny CT sy ny CST ka tena mifikitra mafy mihitsy amin’izany seza izany satria zara aza mba nahazo, maro be ireo namadika palitao fa mba te hahazo toerana sy vola be isam-bolana. Fa ny tena loza dia toa hialokalofan’ny tontakely sy ny jiolahy ary mpanao bizina isan-karazany ny parlemantan’ny tetezamita. Hita ao ny manolana zaza tsy ampy taona, izay natsikafon’ny filankevitra ambonin’ny mpitsara ny fisian’ny didy fampisamborana nefa tsy nampiharina akory. Hita ao ny mpanao boaderôzy, ny mpanao afera vato sarobidy, ao ireo mibodo tanin’olona, ao koa ireo midongy tsy mety mamerina fiaran’olona...
Ny volam-bahoaka avokoa no lany hanatanterahan’izy ireo izany revireviny izany. Mba mahalala izay fiainan’i sôdôma sy gômôro ataon’ny mpikambana CT sy CST sasany izany ve ny lehiben’izy ireo ? Mba mahalala izany fomba ratsy ataon’ny parlemantera sasany izany ve ny filohan’ny FAT ? Raha eny, nahoana no tsy mandray fepetra hentitra ? Raha tsia kosa dia samy manao izay tiany ireo manampahefana ary tsy misy mifampiteniteny. Ny vahoaka hatrany anefa no mizaka ny mafy rehetra. Voasonia indray ity ny sori-dalana, dia efa manangam-bovona sahady ny mpikambana CT sy CST fa aleo, hono, ampiana fotsiny ny isa fa tsy misy an’izany hoe ravana izany ny andrim-panjakana dia fanendrena vaovao mihitsy no atao. Dia mbola ho tavela eny Tsimbazaza sy Anosikely ihany ve izany ireo jiolahy manam-pahefana ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.