Misy ny fitoriana fangatahana ny fanilihana ny kandida Hery Rajaonarimampianina tsy ho afaka mifaninana intsony “disqualification” noho ny fandikana ny lalam-pifidianana nataon’ny mpanohana azy izay hamafisin’ny fanambarana fanohanana azy nataon’i Andry Rajoelina izay mbola fandikan-dalàna hafa koa. Miaro azy mafy anefa ny CT Randrianasolo Nicolas avy any Betroka izay sahy manao vy very ny ainy mihitsy raha ny fanambarana nataony. Sahy nilaza mantsy ity zandary lasa manao politika tampoka ity rehefa tonga ny FAT fa “tsy hanaiky velively io disqualification io raha sanatria hisy izany na hisy ho faty aza eto”. Mpitandro ny filaminana ny tenany ka mahagaga ihany raha sahy haneho fihetsika manakorontana toy izany raha toa ka ailiky ny CES tokoa ny kandidan’ny fitondrana. Milaza moa ny tenany fa fanasoketana fotsiny no atao amin’i Hery Rajaonarimampianina satria tsy nampiasa fahefam-panjakana izany izy ireo. “Vahoaka anie izany 15% nifidy azy izany ka tsy hanaiky mora foana”, hoy hatrany izy. Mazava ny tetika ho an’ity farany fa ny fanakanana ny fahalanian’ny Dr Robinson Jean Louis no tanjony satria izay ihany no fomba hisakanana koa ny fiverenan’i Dada. Efa hatrany amin’ny 2002 no nankahala an’i Marc Ravalomanana i Nicolas Andrianasolo noho ny rahalahiny nodimandry tany am-ponja tamin’ny fitondrana Ravalomanana. Valifaty izany no tena ketrehany raha ny marina. Mbola lavitr’ezaka ny fampihavanana raha izao fihetsiky ny mpanao politika sasany izao.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.