Havoakanay tsy ho ela ny vokatry ny fanadihadiana nataonay “Commission d’enquête parlementaire” ety anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, hoy ny filohany, ny CST Alain Ramaroson omaly tetsy amin’ny Lapa maitson’Anosikely. Tena fotoanany izao hamoahana ny zava-tsy mety rehetra miseholany eto amin’ity firenena ity, hoy izy, mba hanakanana ny gaboraraka misy ary tsy hihemotra amin’izany izahay. Marina fa nanosarotra ny fanatanterahana ny fanadihadiana natao noho ny tsy fahazoana fanampiana avy amin’ny fanjakana tetezamita izay tokony hanao izany tanteraka, hoy Atoa Alain Ramaroson, nefa dia nanao izay tratry ny herinay izahay mpikambana ao amin’ity kaomisiona ity na dia nisinisy ihany aza ny fandaniana tamin’izany fa ny filohan’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ihany no mba nijery manokana anay tamin’izany.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.