Tsy fotoanan’ny adihevitra intsony izao, hoy Ranaivoson Désiré, filoha nasionalin’ny Vovonam-pirenen’ny tanora na PNJ sady mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, raha niresaka fohy tamin’ny mpanao gazety nandritra ny fitsidihana ireo mpikatroka tao Vakinankaratra.
Aminy dia efa vita ny sonia ka ny fampiharana azy no atao amin’izao fotoana izao. Mahakasika iny tondrozotra iny ihany dia nisafidy ny hangina tanteraka ry zareo mba hialana amin’izay mety ho savorovoro amin’ny fampiharana azy satria miteraka fanitaran-kevitra foana ny fitarozahan’ny fampiharana azy ary mety hikatso indray aza. Nambarany fa zavatra roa no miandry amin’izao fotoana ka ny voalohany dia ny fampiharana maika iny tondrozotra iny ka tompon’antoka amin’izany ireo G…be dia be (G6 - G8 - G10…), miampy ny vondroa iraisam-pirenena, ny Raiamandreny Mijoro ary ny mpitondra amin’izao fotoana izao miampy ireo mpanelanelana avy eto an-toerana ary dia eo am-pelatanan’ireo ny hoavin’ny firenena ka tompon’antoka feno amin’ny fahombiazana na tsia ny fampiharana ny tondrozotra ry zareo.
Ny faharoa dia ny famaliana ilay hetahetam-bahoaka nitaky fanovana ka mila jerena izay tolotra omena ny vahoaka izay mba ho hitany fa tsaratsara kokoa noho izay hitany hatramin’izay ny omena azy ka ny mpanao politika no mijery izay satria na tiana na tsy tiana dia fifidianana ihany no hiafaran’ny tetezamita ary dia tsorina, hoy izy fa efa eo amin’izay fijerena ny tolotra omena ny vahoaka izay ny PNJ hiatrehana ny fifidianana. Ny zava-misy dia ady seza no tena iadian-kevitra amin’izao fotoana ka izay no tsy hitenenan’ny PNJ intsony fa samy hotsarain’ny vahoaka eo ihany rehefa aoriana ao. Amin’ny PNJ dia tokony ho natao ny fifidianana Ben’ny tanàna mba nandrefesana ny lanjan’ireo antoko politika mahatratra 300 eo ho eo amin’izao fotoana ka izay nahatafiditra Ben’ny tanàna no niaingan’ny lanjan’ny antoko iray. Raha izay no natao dia mino aho, hoy izy fa antoko 30 no misy marina eto Madagasikara raha betsaka indrindra. Notsindriany ihany koa fa tsy ny andininy faha-20 amin’ny tondrozotra akory no olona fa io no maha voatonona ny filoha Ravalomanana dia io ny roritina kanefa dia ireo andininy rehetra mila jerena tsara avokoa ary dia tanterahina raha tiana ny hilamina haingana.
Caïus R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.