Politique

CROUA Antananarivo Raikitra nanomboka omaly ny fitokonana


  • Zoma 11 Desambra 2015

Rehefa tapitra ny fe-potoana 48 ora nomen-dry zareo ny fitondram-panjakana hamahana ny olana misy tamin’ny talata 8 desambra teo,

 dia niroso tamin’ny fanaovana fitokonana jeneraly tsy misy fetrany  nanomboka omaly alakamisy 10 desambra ireo mpiasan’ny CRUOA na ny Centre Régional des Oeuvres Universitaires d’Antananarivo. Ny fandoavana ny karaman’izy ireo volana novambra sy desambra 2015 moa no fototry ny fitakian’izy ireo, araka ny nambaran-dRtoa mpitondra teniny, Marie-Louisette Ralalasoa, teny Ankatso omaly. Tena misedra olana ara-piarahamonina sy fahasahiranana ara-bola amin’izao ankatoky ny fety izao ny ankabeazan’ny mpiasan’ny Croua, hoy izy, mba tsy hilazana fa izy rehetra noho ny tsy fahafahana mandoa hofan-trano, ny trosan’ny banky sy ny vesatra rehetra ao an-tokantrano. Efa nisy fifampidihana natao tamin’ny tompon’andraikitra mahefa nefa tsy nahitam-bokatra, hoy ity mpitondra teny ity. Vonona ny hiverina hiasa avy hatrany kosa anefa izy ireo raha vao voaloha manontolo ny karamany rehetra. Ny talen’ny Croua kosa, Abel Randriamiarinarivo,tetsy ankilany dia nanambara fa noho ny tsy fahatongavan’ny vola fanampiana ny Croua avy amin’ny fanjakana no tsy nahaloavana manontolo ny karaman’ireo mpiasa. Raha ny marina, hoy izy, dia noho ny fahataran’ny fankatoavana an’ilay volavolam-panjakana fanampiny 2015 no tena mampikatso ny resaka. Fantatra fa nanampy ireto mpitokona ny ampahan’ny mpianatra eny Ankatso noho ny filazana fa tsy misy n’inona n’inona azon-dry zareo hatao eny raha tsy misy ny mpandraharaha miandraikitra ny fanavaozana ny antontan-taratasin-dry zareo amin’izao fikarakarana fidirana izao. Tamin’ny ora farany moa omaly dia heno avy eny Ankatso eny fa hotontosaina amin’io herinandro ambony hitsidika io ny fandoavana manontolo ny karaman’ireto mpisan’ny Croua ireto.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT