CRN

> Mitaky ny hanaovana “confrontation” hivoahan’ny voka-pifidianana tena marina


  • Sabotsy 04 Janoary 2014

Nifanindran-dalana tamin’ny famoahan’ny CENI-T ny voka-pifidianana vonjimaikan’ny fifidianana ho filoham-pirenena fihodinana faharoa omaly antoandro teny Alarobia no namoahan’ny CRN (Komity ho amin’ny Fampihavanam-pirenena) notarihan’Atoa Tabera Randriamanantsoa ihany koa, teny amin’ny QG an’ity kandidŕ filoham-pirenena ity eny Ambohimiandra-Mahazoarivo, fanambarana mikasika izay voka-pifidianana izay.

Noho ny fahatsapana fa mifandrirotra ny lalan-kevitra isan-karazany noho ny fanaovana fifidianana noheverin’ny rehetra fa vahaolana hivoahana amin’ny krizy ary miteraka savorovoro ny antontanisa avoakan’ny CENI-T manome tombony ny kandidà Hery Rajaonarimampianina sy ny voaangon’ny kandidà Robinson Jean Louis hilazany fa mpandresy izy dia mihevitra ny CRN fa tokony hatao ny fampitahana ny voka-pifidianana na “confrontation”. “Ataovy ny fomba sy fitaovana rehetra hampahafantarana mivantana tsy misy holakolaka ny olom-pirenena rehetra tsy misy an-kanavaka, hoy izy ireo, fa voka-pifidianana marina no ho vokatr’izao fifidianana izao. Porofoy amin’ny olom-pirenena rehetra, hoy ny tohin’ny fanambarana, mba ho azony antoka fa ny safidiny marina no ambaran’ny voka-pifidianana marina. Mila hazavaina amin’ny vahoaka, hoy ny CRN, ny hoe ahoana no nahatonga ny 15,85% azon’ny kandidà Hery Rajaonarimampianina tamin’ny fihodinana voalohany no tafakatra 53,50% aty amin’ny fihodinana faharoa, toy izany koa ny 21,16% azon’ny kandidà Dr Robinson Jean Louis tamin’ny fihodinana voalohany no tsy nisy afa-tsy 46,50% aty amin’ny fihodinana faharoa ? Rehefa mazava ny fo dia misokatra ny saina ary manana zo hiaro ny safidiny ny vahoaka.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT